kolon-tsaina

« Temps Forts Théâtre »: Tanjona ny hamerina ny maha izy ny teatra

Tanterahina eny amin’ny Institut français de Mada­gas­car (IFM Analakely), manomboka ny 10 marsa hatramin’ny 28 marsa 2024, ny «Temps Forts Théâtre», andiany voalohany. Hetsika natao hanasongadinana ny teatra na ny tranainy na ny moderina. Fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviamben’ny teatra izany. Vondrona maro samihafa, mpiangaly ny haikanto no hitondra seho hanamarihina ny […]

RMT 2024 : nahazo tombony ny ankizy

Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Kolomahaolo, Loharanombato, ny andro fahefatra amin’ny fankalazana ny « Rallye moi(s) Théâtre » (RMT), andiany fahafito. Hipoka tanteraka ity ivontoerana ity. Nameno ny toerana ireo mpianatra avy amin’ny sekoly maro samihafa manodidina ny Kolomahaolo. Niara-nianoka angano isan-karazany sy fampisehoana ary tantara an-tsehatra manana ny maha izy […]

Hiragasy goavambe: hifandona ry Sahondrafinina Zanany sy Raveloson Jean Ba

Miaka-tsehatra eny amin’ny kianjan’ny Kanto, Mahamasina ihany koa ny mpanao hiragasy. Hangotraka ny seho eo amin-dry Sahondrafinina Zanany sy Raveloson Jean Ba. Lasa ny mamba misosoka ny voay ! Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Hira­gasy goavambe », amin’ity taona 2024 ity ny fihaonan’ny tarika roa tonta. Hifan­dona etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Maha­ma­sina ny […]