Tanterahina eto Antananarivo ny dingana faharoa amin’ny « Poésie des 4 Horizons ». Nanomboka ny 2 marsa teo, tsy hifarana raha tsy ny 9 marsa. Hafatra ho an’ny fandriampahalemana, antso ho an’ny tanora no hampitain’ireto mpanoratra mandalo eto Madagasikara ireto. Ny 7 marsa izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao amin’ny Cité […]
kolon-tsaina
Faribolana Sandratra : Andiany faha-XIII ny « Zarafanahy »
Anisan’ny miavaka eo amin’ny hetsika fanao sy manandrify ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny poezia » ny « Iray volan’ny poezia » fanaon’ny Faribolana Sandratra. Ho an’ity taona ity, tafiditra ao anatin’ny andiany faha-XIII ny « Zarafanahy ». Seho an-tsehatra hotanterahina ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy Analakely, ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Amin’ny […]
«Amitié Evangélique Awards » : Rija Rasolondraibe, mpanakanto evanjelikan’ny taona 2024
Tsy nahagaga loatra raha ny zava-bitany ho an’ny tontolon’ny hira ara-pilazantsara. Nahazo ny fankasitrahana ho mpanakanton’ny taona 2024 i Rija Rasolondraibe. «Izay vonona no mandeha ». Hiran’i Rija Rasolondraibe anisan’ny nisongadina indrindra tamin’iny taona 2024 iny io. Tsy izay ihany anefa no nahazoany ny mari-pankasitrahana ho « Mpanakanto evanjelikan’ny taona 2024 », fa […]
TARATRY ny KANTO
Tontosa omaly ilay fandaharana mivantana tamin’ny tambajotra, nentanin’i Hanta Ramakavelo sy i Mirana Haller. Nanodidina ny lohahevitra “Teny malagasy iainana” sy ny “Laka –Laza” ny famakafakana nentin’izy mirahavavy nandritra izany. Izay mahazo laka dia manjaka ka malaza. Ahoana no atao mba hahazo laka izay tsara ao anatin’ny tena? Eo amin’izay […]
Anisha Jo : Nalai-nisaraka tamin’ireo mpankafy
Seho avy amin’ny fo. Mahafehy tanteraka ny natolotr’i Anisha Jo, omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena izay. Nalai-nisaraka tamin’ireo mpankafy izy, ary izay rahateo no antom-pisian’iny seho fahatelo, nandritra ny fandalovany an-tanindrazana iny. Noporofoiny indray, fa manan-kozaraina amin’ireo izay tia azy ity mpanakanto ity. Tsy niala teny aminy ny tsiky, nampiaina […]




