Boky nalaza indrindra, sanganasan’ny Malagasy mpanoratra nalaza indrindra. Navoakan’ny edisiona Project’île indray ilay boky « Presques Songes » na « Sari-nofy », nosoratan’i Jean-Joseph Rabearivelo. Amin’ilay endriny amin’ny teny malagasy sy teny frantsay, toy ny namoahan’ny mpanoratra voalohany azy izany, ao anatin’ny pejy 80. Ho fampahafantarana izany, hisy ny hetsika hotontosaina mandritra ny « Salon […]
kolon-tsaina
D-Lain sy Denise : Seho matihanina, nofy tanteraka
Talenta miavaka, tafaraka an-tsehatra. Niaina seho iray tsy mbola fahita ireo mpankafy tonga teny amin’ny CCI Ivato. Seho lafatra no natolotr’i D-Lain sy Denise… Samy mikatsaka ny lafatra. Io ny toetra iombonan’i D-Lain sy Denise, amin’ny maha mpanakanto azy ireo. Nofinofy efa tany amin’ny 15 taona tany ny hampiara-peo amina […]
Ilaina ny fanavaozana: Ny fototra tsy tokony hiova
Anisan’ny firenena manana « zavatra » tranainy na taloha, maro i Madagasikara. Iray amin’ireny ny hira. Feo aloaky ny vava, zavamaneno, gadona, dihy miaraka aminy raha ilaina, sns. Samy tranainy avokoa. Mila havaozina? Tsy vitsy amin’ny mpihira na tarika mpihira amin’izao fotoana izao no mamerina na mamelona na manavao indray azy ireny. […]
TARATRY ny KANTO
« Feo roa, sehatra iray ». Rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora, eny amin’ny CCIvato ilay fiarahana an-tsehatr’i Denise sy i D-Lain. Hafa noho ny mahazatra, satria hatao amin’ny rindra miavaka daholo ireo hira nosafidian’izy ireo hampiaraham-peo. Efa ela ny famerenana, ka na ireo mpankafy aza efa dodona ny hahita ny vokatra […]
Tolo-kevitra : Nivoaka ny boky « Handroso i Madagasikara »
Omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, no namoahana ilay boky « Handroso i Madagasikara » fa amin’ny fomba ahoana? nosoratan-dRakotomahenina Nary Todison. Amin’ny ankapobeny, mirakitra ny tetikasa ho fampandrosoana an’i Madagasikara amin’ny lafiny maro ity boky vaovao ity. Ny Malagasy ihany no afaka hampandroso an’i Madagasikara… », hoy ny mpanoratra. Zavatra mora tanterahina izany. […]




