Mihira sy ampihirain’ny fitiavana i Anisha Jo. Mialoha ny hiverenany any Frantsa, hihaona indray amin’ireo mpankafy eto Madagasikara izy. Tsy mahafoy! Tena azo fehezina anatin’izay, raha ny fihetseham-pon’i Anisha Jo. Noho izany, hanatontosa seho fahatelo izy, amin’izao fandalovany izao. Manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny CCEsca Antanimena ity mpanakanto […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Festival « Amoron’i Maniart”. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, hanomboka anio ny tena fandaharam-potoana amin’ity hetsika ho an’ny dihy, hatao any Ambositra ity. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fiofanana mahakasika ny Hip hop, Breaking, Afro dance, Dance hall ary ny Slam, ao amin’ny Alliance Française. Mamina, etsy amin’ny Phoenix […]
Zavakanto: Ilaina ny fifaninanana
Anisan’ny tsy ampy eto Madagasikara ny fifaninanana. Zara raha ahitana izany indray mandeha ao anatin’ny taona ny taranjan-javakanto iray. Ny hafa, tsy misy mihitsy. Ny any ivelan’ny Nosy, anefa, saika isan’andro, mifaninana hatrany. Tsy voatery ho zava-dehibe vao mifaninana, raha eo amin’ny tontolon’ny zavakanto. Amin’ny ankapobeny, hoentina mandrefy ny dingana […]
Les Surfs: Nodimandry i Dave Rabaraona
Iray tamin’ireo Rabaraona 6 mianadahy, nandrafitra ny tarika Les Surfs i Dave. Nodimandry any Canada izy, nanara-dia ireo anabaviny, izay niara-nitondra avo ny lazan’i Madagasikara taminy naneran-tany. Rako-drahomainty indray ny tontolon’ny zavakanto. Nodimandry omaly maraina mantsy Andriamamonjy David Yves Marcel, na i Dave Rabaraona. Tany Montréal Canada izy no nodimandry, […]
Alok’Tefson: « Mahaliana ny mpihaino Radio ny tantara mampatahotra »
Tao anatin’ny folo taona, nanomboka niverina ny fitiavan’ny Malagasy ny fihainoana tantara mandeha amin’ny Radio. Nanao ny ezaka mifandraika amin’izany rahateo ny mpanoratra. Iray amin’ireny i Alok’Tefson izay nitodika manokana tamin’ny tantara mampatahotra. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*) : Mpanoratra, tanora, anisan’ny nisafidy ny hampivelatra ny tantara fandefa amin’ny Radio […]




