kolon-tsaina

«Madagascourt Film Festival» : fantatra ny anaran’ireo ho mpitsara

Nampahafantarin’ny tomponandraikitra, mpikarakara ny «Madagascourt Film Festi­val» (MFF), omaly, ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, hofidina ho mpitsara mandritra ny MFF, andiany faha-19. Miisa enina mianadahy izy ireo, ahitana Malagasy. Anisan’ny fepetra fototra ny fiseharany sy ny fananany ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihe­tsika. Anisan’ny hofantenana amin’izany i […]

Taom-baovao malagasy: nitsofan-drano sy nihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely

Nankalazaina omaly, tetsy amin’ny Kianja masoandro, anatin’ny Rovan’i Madagasikara, ny lanonana ara-pomba ofisialin’ny Taom-baovao malagasy. Nahitana hetsika maro samihafa mahakasika izany avokoa ny vohitra rehetra teto Imerina. «Taom-baovao hamerenan-kasina ireo fomba amam-pa­nao, entina hisaorana an’ Andriamanitra noho ny fitahiany, izay nomeny ny firenena sy ny mpitondra. Fotoana nahafahana mandravina ireo […]

Tontolon’ny hira : nodimandry i Mika Kely Bassiste

Lavo ny andrarezina! Nodimandry, omaly, i Raoel Brice Mick Angelot, fantatra amin’ny solon’anarana Mika Kely Bassiste. Araka io, ny fitendrena gitara « basse » (gitara migobom-peo) no tena nahafantarana azy. Tarika sy mpanakanto maro manana ny lazany no nametrahan’i Mika Kely Bassiste ny dian-tanany. Anisan’izany ny tarika ‘Zay, Samoëla… Ankoatra ny fitendrena […]

«Temps fort théâtre» : nahasarika olona ny tropy Jeannette

Nosokafana, omaly, tao amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ilay hetsika «Temps fort théâtre», andiany voalohany. Ny tropy Jeannette, anisan’ny zokiny indrindra amin’ny filalaovana teatra eto Madagasikara no nisantatra izany tamin’ny alalan’ny fikaloana ireo hira teatraly nanana sy mbola manana ny maha izy azy ankehitriny. Fantatra fa anisan’ny mampiavaka ny […]

Taom-baovao malagasy : famerenan-kasina ny maha olona sy ny firenena

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny kianja masoandro, ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy, omaly hariva. Nosokafana tamin’ny alalan’ny fandrehetana ny afotsimaty izany. Tonga nanokatra izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Randriamananoro Augustin. “Famerenena indray ny hasina maha olona sy ny fifankatiavan’ny Malagasy rehetra ary ny soatoavina feno eto […]