Fikambanan’ny poeta sy ny mpanoratra malagasy ny Havàtsa-Upem. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-74 taonany. Hisy ny « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahefatra. Hetsika hotanterahina ny sabotsy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eo Analakely anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Dia mizotra mankany amin’ny Garan’i Soarano. Mihodina mizotra mahitsy […]
kolon-tsaina
25 taona tao anaty rap : Vahinin-dRaboussa ry 18, 3, Marion, Doubl’Enn
Izy irery, hatreto, no mpanao rap gasy nahazaka ny Lapan’ny fanatanjahantena. Niantso ireo namany hifampizara sehatra aminy Raboussa, no manomana seho ho tadidy sy ampitaina ihany koa. Herintaona toy izao, nirefotra tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena… Fanokafana ny 25 taona an-tsehatra iny, ho an-dRaboussa. Hofaranana ao ihany ny fankalazana ny 30 […]
Fanabeazana sy kolo saina: Nahay nihaino ny Malagasy
Manana fiantraikany lehibe eo amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy ny fahaizan’ny Malagasy nihaino fahiny. Nobeazina sy nokoloina hihaino ny manodidina azy. Avy amin’izany no nahalalany fa henoina ihany koa izy, hany ka tsy niteniteny foana. Ho an’ny vanim-potoanan’ny ankehitriny, mihevi-tena ho tsy misy maheno ve ny mpanakanto sy ny […]
Haino aman-jerim-panjakana: Hahazo fanohanana avy amin’i Chine
Anaty fanavaozana sy fanatsarana ireo haino aman-jerim-panjakana, RNM sy TVM, amin’izao fotoana. Ankoatra ny fanamboarana ireo «pylônes» sy «émetteurs» manerana ny Nosy, havaozina ihany koa ireo fitaovana. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mandrindrarivony Ogascar, tamin’ny minisitra lefitra misahana ny Serasera sy ny haino […]
« Fitampoha 2026 » : Saro-piaro amin’ny maha izy azy ny Sakalavan’i Menabe
Miavaka ny “Fitampoha” amin’ity taona 2026 ity. Manamarika izany manokana ny maha efa eto an-tanindrazana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera na Andriamilafikarivo. Tsy manary ny maha izy azy ny sakalavan’i Menabe. Nisokatra omaly, haharitra folo andro, ny “Fitampoha 2026”, ao Belo ambonin’i Tsiribihina. Ambohipihaonan’ny foko Sakalava ao Menabe ny ao an-drenivohitry […]




