kolon-tsaina

“Maman j’ai raté l’enlèvement”: Hasehon’ny Cevam an-tsehatra ny andiany fahatelo

Raha lafiny fampisehoana, angamba ity no anisan’ny raitra sy tsara kalitao indrindra tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena. Fa tsy seho fotsiny ny “Maman j’ai raté l’enlèvement”, fa mifono hafatra sy sakafom-panahy, mifanandrify amin’izao vanim-potoana izao izany. Ny taona 2022 no nentina an-tsehatra voalohany ny “Maman, j’ai rate l’enlèvement”. Tantara an-kira narafitry […]

TARATRY ny KANTO

“TVM’Fety Krismasy”. Fandaharana manokana sy miavaka, novolavolain’ny fahitalavi-pirenena izy ity. Alefa manokana rahampitso 25 desambra, amin’ny maha andro Noely azy. Manomboka amin’ny 7 ora sy sasany ny tapany voalohany ary amin’ny 8 ora alina kosa ny tapany faharoa. Hisy mpanakanto hanafana ny fandaharana, toa an’ny Jaws Band sy ny Olifonica. […]

Tratran’ny vahiny ny tanjony : Very fototra ny taranaka Malagasy

Iray amin’ireo firenena manana ny fototra rehetra ijoroany ny Malagasy. Manahirana ny vahiny ny fisian’izany ka nomontsaniny tamin’ny fomba rehetra. Anisan’izany ny finoana sy fivavahana. Mivavaka ny Malagasy. Notsipahin’ny vahiny izany ka nolazainy fa: «fony mbola tao anatin’ny vanim-potoana maizina ny Malagasy…». Noho ny fanajany ny zavaboahary, nahay nampiasa ny […]

TARATRY ny KANTO

“Mozika an-dalambe”. Hetsika natao hanandratana ny mozika, andaniny, fa indrindra ho fanasoavana ny mpiara-belona, ankilany, izy ity. Mpanakanto maro no nifandimby tetsy amin’ny Carrefour Ankorondrano, ny sabotsy teo. Mizara mozika sy manentana ny mpiara-belona hanome izay foy ho an’ireo sahirana eto an-tanàna izy ireo. Mbola hitohy amin’ny sabotsy 28 desambra […]