kolon-tsaina

Fanabeazana : 30 taona ny Zanabaliha

Taona 1982, tafahaona ireo tanora vitsivitsy nahatsiaro fa misy lesoka goavana eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy ny kolontsaina malagasy. Nandray andraikitra avy hatrany. Nampianatra, nanabe, ireo ankizy sy tanora nila izany… Taona 1995, tafatsangana ara-panjakana ny Zanabaliha, ahitana sampana efatra. Feno 30 taona amin’io taona mitsidika io ny maha ara-dalàna […]

Taona 2025 : Mila miasa mafy ny mpikaroka sy ny mpamorona

Anisan’ny tsy mitondra « fandrosoana » eo amin’ny zavakanto ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny zava-baovao. Taona 2025, samy maminavina ny « hisongadina », anefa, ny rehetra. Tsy ilay olo-malaza ao anatin’ny taona iray akory no lazaina eto fa ireo izay afaka hitondra zava-baovao hanamarika ny taona 2025. Ndeha horaisintsika ho ohatra ny tontolon’ny […]

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny Arkadia Anala­kely indray ny Be Tige Teams, anio. Hisy ny seho iarahana amina mpanao hatsikana Stand Up miisa enina, avy amin’ny Be Tige Comedy. Handray anjara amin’ izany ry Lanja Babeine, Raytra, Tsiresy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fampivelarana sy fampiroboroboana ny Stand Up eto Madagasikara izy ity. […]

Fanandratana ny vehivavy: Nivoaka ny boky « Elles, pionnières aux mille et une facettes »

Boky iray manandratra, manasongadina ary mampahafantatra vehivavy maromaro ny « Elles, pionnières aux mille facettes », izay vao nivoaka tamin’ity herinandro ity. Navoakan’ny Total Energies Marketing Madagasikara, nifanandrify tamin’ny fankalazana ny fahazato taonan’ity kaompania ity. Tohin’ilay horonantsary « Femmes aux mille et une facettes » ny boky, izay mitovy tanjona ihany koa. Vehivavy malagasy […]

Festival Sakaleona: manomboka anio ny hetsika

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 22 desambra izao ny « Festival Sakaleona » andiany voalohany. Ny fikambanana Mbarakaly, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Sera­sera sy ny kolontsaina, no mi­karakara azy. Natao hampiroboroboana ny zavakanto sy ny kolontsain’ny distrikan’i Nosy Varika izy ity. Tanjona ao anatin’ izany ny fampahafantarana bebe kokoa ny distrika. Eo ihany […]