kolon-tsaina

Reko Band : Mitohy ary mazava ny lalana

Fanamby goavana no tontosa. Mozika tsara kalitao, seho nihazona ny maso sy ny sofina, nandona ny fanahy. Voasoritra ny lalan’ny Reko Band… Dingana goavana eo amin’ny tantaran’ny tarika ma­lagasy iray izany nisedra ka nahita fahombiazana ao amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahama­sina izany. Tontosan’ny Reko Band anefa izany, […]

“Festival Sakaleona” : Nasongadina ny kolontsaina ifotony

“Kolontsaina, vatofotry ny fampandrosoana”. Lohahevitry ny “Festival Sakaleona” andiany voalohany, izay notontosaina tany Nosy Varika, Faritra Vatovavy, ny faran’ny herinandro teo. Sambany no nisy, nentina nanasongadinana ny kolontsaina ifotony ao amin’ity faritra ity izany. Faritra izay manan-karena amin’izay kolontsaina sy zavakanto marolafy izay, kanefa tsy dia tena hita taratra nandritra […]

“Noelin’ny fitia”: Niaina ny seho Noely ny Kianja Masoandro

Toerana fanaovana fampisehoana miavaka ny Kianja Masoandro, eny Anatirova. Nandray sy niaina ny “Noelin’ny fitia” nandritra ny hefarana ny toerana, nampiditra ny maha fotoana firavoravoana ihany koa. Efa nisy fankalazana ny Krismasy ihany koa tao Anatirova, raha ny ara-tantara. Nandritra ny fitondran’ ireo Andriamanjaka sy praiminisitra nankato sy nanaraka ny […]

TARATRY ny KANTO

“Noelin’ny Fitia”, eny amin’ny Kianja Masoandro. Haresaka Anatirova, manomboka anio ka hatramin’ny 24 desambra izao. Hisy seho miavaka isaky ny hariva manomboka amin’ny 7 ora, izay hifandimbiasan’ireo tarika mpanao hira fiderana. “Hiara-hiombom-po hankalaza ny Noely ao anatin’ny fitiavana sy fifampizarana” ny lohahevitra hovoizina mandritra izany. Mila maka tapakila mialoha ireo […]

Famaranana ny “Reko Tour 2024”: Maro ny tsy ampoizina homanin-dry Fy

Fanamby goavana be! Anisan’ny fampisehoana lehibe andrasan’ny maro amin’ity faran’ny taona ity ny hotontosain’ny Reko Band rahampitso 22 desambra, manomboka amin’ny 3 ora, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Goavana satria sambany vao hisedra irery ity toerana ity ny tarika. Io rahateo ny toerana lehibe indrindra hanaovan’ny Reko […]