kolon-tsaina

Nahatarafana ny seho ho an’ny taona 2025 : nafana ny fiarahan’i Erick Manana sy i Dama

Notanterahina tao amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ ny herinandro teo, ilay seho an-tsehatra niarahan’i Erick Manana sy i Dama. Na tsy hipoka aza ny efitrano, tsapa hatrany ilay hafanana nampifamatotra azy mirahalahy sy ny mpijery teny an-toerana. Nasongadin’ny fizarana tsirairay izany. Na, i Erick Manana sy ny gitarany, na i […]

Mahamasina : nihaona tamin’ny mpankafy i Goulam

Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena Maha­masina, ny sabotsy teo, ny fampisehoana nataon’i Goulam, mpanakanto kaomorianina, tonga nanatanteraka seho eto Madagasikara. Nihemotra tamin’ny 6 ora hariva ny fanombohan’ny fampisehoana, raha toa ka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny fotoana nifanomezana. Tsy niala fa teo hatrany ireo mpankafy tonga namaly ny […]

Kaonseritra teny Ivato : nampihetsi-po ny fihaonan’i Anisha Jo tamin’ny mpanatrika

Fampisehoana nahasarika ny mpankafy maro ny nataon’i Anisha Jo, omaly. Seho feno fitiavana sy fihetseham-po tanteraka. Tontosa tetsy amin’ny CCI Ivato, omaly tolakandro, ny kaonseritra lehibe nataon’i Anisha Jo. Fi­haonana voalohany tamin’ny mpankafy azy teto Madaga­sikara, taorian’ny nandrombahany ny fandresena tamin’ny fifaninanana « Star Academy 2022 ». Fotoana iray io nanolorany seho […]

TARATRY ny KANTO

Tanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny « Joy& Mercy ». Fampi­se­hoana evanjelika iarahana amin’ny antokom-pihira The Singers of Jesus izy ity. Ho hita ao avokoa ireo hira nahafantarana ity antokom-pihira ity. Hisy ihany koa ny zava-baovao nomanin’izy ireo ho an’ny mpankafy azy mandritra io fampisehoana io. Mbola vitsy ihany […]

Madagaslam : Mitohy hatrany ny fampivelarana ny Slam

Ny eny amin’ny Cercle Ger­mano Malagasy (CGM) Ana­lakely sy eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba indray no handray ny Madagaslam section Tanà, amin’ity anio ity. Hetsika maro samihafa mifantoka amin’ny Slam poésie no ho hita mandritra izany. Ani­san’izany ny atrikasa fanora­tana, misy ihany koa ny sehatra ahafahana maneho ny […]