kolon-tsaina

Kolontsaina Malagasy: mampahafantatra ny vakoka nentim-paharazana i Lovatiana Harinaivo

Mampiavaka ny firenena iray ny kolontsaina ananany. Maro ny firenena manary ny kolo­tsainy sy ny hasiny manoloana ny fanatontoloana. Maro koa anefa ny firenena mandroso miaraka amin’ny fanajana ny kolontsainy. Ao anatin’ny famerenan-kasina sy fampianarana ny fomba amam-panao sy soatoavina malagasy ny mpitahiry ny hasim-piandrianan’i Mada­ga­si­kara amin’izao fotoana izao. Misy […]

“Folle semaine de Noël »: handray seho roa ny IFM

Hiditra amin’ny andiany faharoa ilay hetsika « Folle semaine de Noël », karakarain’ny Institut Franco-Ma­la­gasy sy ny Fondation Akba­raly. Nampahafantatra ny hetsika izy ireo, omaly, tetsy amin’ny IFM Analake­ly. Fantatra nandritra izany fa seho roa no hatao amin’ity, samy ao amin’ny IFM Analakely avokoa. Ny voalohany ny zoma 16 desambra izao, manomboka […]

Fakafaka: Ny manana no manome !

« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza», hoy ny ohabolana Malagasy, manamafy io lamina voajanahary io. Tanora malagasy, tsy manaja raiamandreny. Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra, sns. Olona tsy manome hasina. Olona mpanivaiva… Ka izay ananany ihany ange no omeny e! Matoa tsy afa-manolotra haja amam-boninahitra, tsy manana izy izay. […]

Fifaninanana sarimihetsika : nisongadina ny mpanatontosa malagasy

Manomboka miakatra eo amin’ny sehatry ny matihanina ny tanora malagasy, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Tanora mpanatontosa malagasy roa no nandrombaka ny “Zebu d’Or”, amboara ho an’ny nandrombaka ny fifaninanana nandritra ny fifaninanana nandraisan’ny mpanatontosa afrikanina anjara. “Feno tanora manana talenta miafina aty Afrika. Manolotra azy ireo fahafahana miofana matotra no […]