kolon-tsaina

Dian’ny mpanakanto: Hiroso lalina amin’ny mozika i Nast’em

Nasandratra Eric Manana, io no tena anaran’ity mpanakanto vao erotrerony, zanak’Ambohimandroson’Antsirabe ity. Taona 2021, nitrandraka sy nikirakira ny kanto momba ny hira sy mozika i Nast’em. Niatomboka tamin’ny mozika rap. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hiroso lalina kokoa amin’ny fandalinana sy ny fizarana ny vokatry ny kanto ataony izy. Ankoatra ny fihirana, […]

Nantenaina: Hiverina amin’ny mozika

Tsy niala lavitra akory… Fa noho ny andraikitra nosahaniny amin’ny maha ben’ny Tanànan’i Toamasina azy, tsy afaka nivalampatra firy tamin’ny mozika i Nantenaina. Tsy nilatsaka ho fidiana intsony kosa anefa izy farany teo, ary efa nahavelombolo ireo mpankafy izany. Nanamafy tamin’ny fomba ofisialy kosa i Nantenaina, omaly, tetsy amin’ny Panorama […]

« Festival Sakaleona» : Hanasongadinana kokoa an’i Nosy Varika

Sahala amin’ireo faritra sy distrika hafa, hampiseho ny mampiavaka azy ihany koa ny distrikan’i Nosy Varika. Hetsika hampahafantarana misimisy kokoa ity distrika ity, indrindra eo amin’ny kolontsaina sy zavakanto. Tanterahina ny 20 hatramin’ny 22 desambra 2024, any Nosy Varika, ny « Festival Sakaleona ». Andiany voalohany izy ity ary hanandratana ny kolontsaina […]

Mariboninahitry ny kanto : Nasongadina Randrianaivoravelona

Andrarezina ka mendrika. Nisy ny lanonanana manokana, nentina nanasongadinana sy nanomezam-boninahitra an-dRandrianaivoravelona, ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe. Nampiakarina eo amin’ny laharan’ny “Com­mandeur” izy, ho an’ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina. Tonga manokana tany an-toerana, nanolotra izany, ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra. […]