Raha manonona anarana tanora malagasy mpanakanto malaza amin’izao fotoana, ao anatin’ny 5 voalohany i Ceasar. Mbola manamafy izany lazany izany ny nisafidianan’ny Yas Madagasikara azy ho ambasadaoron’ity orinasan-tserasera ity. Tontosa omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Ankorondrano, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa vaovao. « Mitombo iray izao ny fianakavian’ny Yas Madagascar. […]
kolon-tsaina
Fondation H Ambatomena: Manasongadina ny foko Mikea i Andy Rasoloharivony
Miavaka ary tena zavakanto tokoa no harantin’i Andy Rasoloharivony. Mitondra fahalalana mahakasika ny foko Mikea mantsy izany, ankoatra ny maha fialamboly azy. Tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny 2 janoary 2025, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana “Et ils gravèrent le sable”. Sehoranty ataon’ i Andy Rasoloharivony izy ity. Ao anatin’izany […]
Kalon’ny fahiny: 10 taona Ny Feon’Analamanga
Mamelona ny kalon’ny fahiny. Tarika ny Ny Feon’Analamanga, mandia ny faha-10 taonany. Amin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra no hankalazan’izy ireo io vanim-potoana lehibe io. Zoma 27 desambra, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, ao amin’ ny Ivokolo Analakely (Gallérie 6 teo aloha). Anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny fananany mpikambana tanora […]
“Ndao ilalao”: Hisongadina ireo kilalao sy kolontsaina malagasy
Tanterahina ny 7 desambra izao, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Ndao ilalao”. Hetsika karakarain’ny Alt’Istik Madagascar sy ny AFT hanasongadinana ny kilalao malagasy sy ny kilalao noforonina Malagasy. Kilalao, fitantarana angano sy tantara foronina ary seho an-tsehatra sy tafa iarahana amina mpanakanto no handravaka izany. Tanjona ny […]
Isaky ny vanim-potoana lehibe: Mahazo aina kely ny kalon’ny fahiny
« Kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny », hoy ny voalaza ao anatin’ny boky « Valihan’Ikaky ». Tanjona sa nofinofy ? Izay ilazana azy tsy maninona, fa toa maneho kisarintsarim-paniriana ihany izy eto. Anisan’ny maro mpanatrika, indrindra any ivelan’i Madagasikara, ny lanonan’ny faran’ny taona ka ahitana mpanakanto mihira ny kalon’ny fahiny. Ho an’ny eto an-toerana indray, […]




