kolon-tsaina

Kalon’ny fahiny: 10 taona Ny Feon’Analamanga

Mamelona ny kalon’ny fahiny. Tarika ny Ny Feon’Ana­lamanga, mandia ny faha-10 taonany. Amin’ny alalan’ny fampisehoana an-tsehatra no hankalazan’izy ireo io vanim-potoana lehibe io. Zoma 27 desambra, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro, ao amin’ ny Ivokolo Analakely (Gallérie 6 teo aloha). Anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny fananany mpikambana tanora […]

“Ndao ilalao”: Hisongadina ireo kilalao sy kolontsaina malagasy

Tanterahina ny 7 desambra izao, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny “Ndao ilalao”. Hetsika karakarain’ny Alt’Istik Madagascar sy ny AFT hanasongadinana ny kilalao malagasy sy ny kilalao noforonina Malagasy. Kilalao, fitantarana angano sy tantara foronina ary seho an-tsehatra sy tafa iarahana amina mpanakanto no handravaka izany. Tanjona ny […]

Isaky ny vanim-potoana lehibe: Mahazo aina kely ny kalon’ny fahiny

« Kalon’ny fahiny, ho vazon’ny ankehitriny », hoy ny voalaza ao anatin’ny boky « Valihan’Ikaky ». Tanjona sa nofinofy ? Izay ilazana azy tsy maninona, fa toa maneho kisarintsarim-paniriana ihany izy eto. Anisan’ny maro mpanatrika, indrindra any ivelan’i Mada­gasikara, ny lanonan’ny faran’ny taona ka ahitana mpanakanto mihira ny kalon’ny fahiny. Ho an’ny eto an-toerana indray, […]

TARATRY ny KANTO

Hitohy ao Paris ny hetsika fanomezam-boaninahitra sy fahatsiarovana an’i Ninie Donia. Hifamo­toana ny sabotsy izao ireo mpanakanto sy ireo mpankafy ny mozika malagasy any an-toerana. Hitarika ny hetsika ireo mpitendrin’i Ninie Donia hatramin’izay, ampian’ny tarika Tsivahiny, Toto Mwandjani, Tearano, Blilo, Booshirany, Maurena, Shao Boana, Hazolahy, Anderson Jaojoby, Flavien Rotsaka, sns. […]

AFT Andavamamba: Maro no liana tamin’ny “L’Enfant et le tambour de nuit”

Tontosa omaly tolak’andro teny amin’ny Alliance Françai­se d’Antananarivo (AFT) Anda­vamamba ny fampisehoana an-tsehatra ny “L’En­fant et le tambour de nuit”. Ny Compagnie Miangaly Theatre no nitondra izany. Seho an-tsehatra nahitana angano, teatra noravahina mozika no nentin’izy ireo nanome fahafahampo ny mpankafy azy tamin’izany. Nahaliana ny mpijery tokoa ny fampisehoana. Mari­hina […]