Mirona any amin’ny Pop rock ny lalan’i Caroja. Izy no voafidy hitana ny toeran’ny mpihira fototra ao amin’ny tarika Riaka. Mitohy ny lalana! Rehefa avy naka bahana sy nandinika tsara, naneho ny safidiny amin’ny mozika hataony amin’izay i Caroja. Izy ilay nahazo ny amboara ka nisalotra ny anaram-boninahitra “La voix […]
kolon-tsaina
Fampirantiana hosodoko: haneho ny mampiavaka azy i Mariam Amyra
Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny 2 hatramin’ny 11 febroary 2024, ny fampirantiana «Fun& Flow», tontosain’i Mariam Amyra, Egyptianina mpanao hosodoko, manana ila frantsay, monina eto Madagasikara. Anisan’ny mampiavaka ny asa tanan’ity mpahay kanto ity ny fahaizany milalao ny hazavana sy ny loko ao anatin’ny haikantony. Ankoatra ny fampirantiana, vonona […]
Hetsika “NOus_sOmm∑”: Tanjona ny hiarovana sy hanavotana ny tontolo iainana
Samy tompon’andraikitra sy manana adidy manandrify azy ny rehetra, raha ny momba ny fiarovana sy fanavotana ny tontolo iainana no asiana teny. Izany indrindra no anton’ny hetsika, ho fampahatongavan-tsaina ny olona amin’ny alalan’ny haikanto. Mitohy eny amin’ny Centre de lecture, d’information et de culture (CLIC) Antohomadinika, nanomboka omaly, ny hetsika […]
Boky « Ilay Lolokely jejo »: Ho hita ao Afrika
Nisy ny fiaraha-miasan’ny trano famoaham-boky Ntsame, avy any Gabon sy ny Jeunes malgaches, avy eto Madagasikara, ny amin’ny fividianana ny zo mahakasika ilay boky novokarin’ny Jeunes malgaches, nampitondrainy ny lohateny hoe «Ilay Lolokely Jejo». Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny trano famoaham-boky, ankoatra ny tombony azon’ny mpanoratra ny boky, zava-dehibe ho […]
Tarika Raboussa: Seho tokana any Alemaina
Ny voalohandohan’ny taona no nandatsahana ny vaovao. Efa any an-toerana, nanomboka omaly, kosa Raboussa sy ny tariny. “Efa aty, sabotsy mihaona. “Te ho any aminao” ny hiranay voalohany amin’io”, hoy ny nambaran-dRaboussa tao amin’ny pejin’ny tarika. Manome fotoana ireo mpankafy azy any Munich, Alemaina ity mpanakanto ity, rahampitso sabotsy. Miara-dalana […]