kolon-tsaina

Ankizy Mozika Festival : homena sehatra ny kilonga

Any amin’ny taninketsa no volavolaina. Antom-pisian’ny hetsika “Ankizy Mozika Festival”, izay karakarain’ny CGM/GZ io. Hotontosaina ny alahady 3 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny andiany fahatelo amin’ ity. Fanomezana sehatra ireo kilonga milofo amin’ny mozika izy ity, mba hanehoan’izy ireo ny talenta miampy izay norantoviny tsirairay […]

« A la recherche des Betia »: hasongadina ireo vehivavy mpanjaka tsy be mpahalala

Omena sehatra manokana eny amin’ny Fondation H Ambatomena, ireo vehivavy mpanjaka tsy dia be mpahafantatra teto Madagasikara. Fikarohana lalina no nataon’ Andriarimanjaka Dina Nomena, tomponandraikitry ny fampiran­tiana. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny fampirantiana « A la recherche des Betia ». Seho ranty, iarahana amin’Andriarimanjaka Dina Nomena, […]

Hikatsaka ny tsena ivelany: nadikan’i Tefy amin’ny teny frantsay ny « Mitaraina ny tany »

Izay rehetra namaky, voadona ny fo sy fanahy… Antony voalohany nampalaza ny boky « Mitaraina ny tany », nosoratan’i Andry Andraina. Antony faharoa, anisan’ireo boky tafiditra anatin’ny fandaharam-pianarana, ka ampiasain’ny mpianatra amin’ny kilasy taona faharoa izy ity. Nadikan’Andriamahery Raoelison Théophile Jean na i Tefy, tamin’ny teny frantsay ity boky ity. « De douleur, […]

Tetikasa « Kanto Manabe »: tanjona ny hampiditra ny haikanto eo anivon’ny fampianarana

Amperiny tanteraka ny tetikasa “Kanto Manabe”, amin’izao fotoana izao. Sekolim-panjakana telo hatramin’izao no efa niseharan’ny tetikasa, ny LTPGCM Mahamasina, ny Lisea Jules Ferry Faravohitra ary ny Lisea Gallieni Andohalo. Fampianarana momba ny haikanto, indrindra ny sary vita tanana, ny tantarany ary ny manodidina izany no hampianarina ao anatin’izany. Manampy ireo […]

Fampisehoana « Cirque »: hisitraka ny hetsika ny eny Besarety

Hitohy anio, eny amin’ny Kianja mitafo Besarety, ny fampisehoana iarahana amin’ny Aléas Circus. Fampisehoana « Cirque » maimaimpoana ho an’ny vahoakan’Antananarivo sy ny manodidina izy ity. Tanisa, tsingeringerina, hakingan-tanana sy ny nahafantarana ny Aléas Circus hatramin’izay no ho hita mandritra ity hetsika ity. Maimaimpoana, saingy ho an’ny mihoatra ny 14 taona ihany […]