kolon-tsaina

Fanatontosana sarimihetsika : nizara ny traikefany Rajaonarivelo Raymond

Mandalo eto Madagasikara Rajaonarivelo Raymond, mpanantontosa sarimihetsika fanta-daza maneran-tany. Nisy ny fizarana traikefa nataony afakomaly, teny Anjohy. Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Musée de la photographie Anjohy, ny valandresaka niarahana tamin-dRajao­narivelo Raymond, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika. Tafiditra ao anatin’ny hetsika «Café histoire, Quand le cinéma rencontre l’histoire» izany. Nasongadiny […]

Championnat de lecture : miditra amin’ny andiany fahenina

Hisokatra manomboka ny 23 janoary 2024 hatramin’ny 23 febroary 2024 ny fisoratana anarana fandraisana anjara amin’ ny «Championnat de lecture» andiany fahenina, karakarain’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft) Andavamamba. Ny 28 febroary 2024 hatramin’ny 27 marsa 2024 no hanaovana ny fifaninanana, eny an-toerana ihany. Ankoatra ny maha fifaninanana azy, tanjona koa ny […]

Misaona indray ny Hiragasy: nodimandry Radona, Ramilison Besigara

Lasa namonjy an-dRamilison rainy, Zeze zokiny ary i Perline anabaviny ihany koa Radona. Nodimandry teo amin’ny faha-55 taonany Rafalison Joachin, fantatra eo amin’ny tontolon’ny hiragasy amin’ny hoe Radona. Toa ny vara-datsaka ny nahenoana ny vaovao ny alin’ny alarobia teo, ka nisesy ny fampaherezana ny fianakaviana sy ny tropy, ny fanomezam-boninahitra […]