kolon-tsaina

Ambohidratrimo Marovatana: hamerina sy hanandratra ny kolontsaina fanorona

Ho tanterahina ny 10 sy 11 febroary ho avy izao “Festival Fanorona Marovatana”. Eo am-pamaranana ny fikarakarana ny tomponandraikitra, ankehitriny. Raikitra izany! Handray ny “Festival Fanorona Marovatana” ny eny amin’ny kaominina Ambohi­dratrimo. Haharitra roa andro ny hetsika, karakarain’ny eo anivon’ny Vovonana Nasio­nalin’ny Fanorona Malagasy. Miara-misalahy amin’ny fanatontosana izany i Zama […]

Galerie Vellutini Isoraka: mandravaka ny toerana ny ranty hosodoko

Tanterahina eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, ny fampirantiana hosodoko, iarahana amin’ny mpahay kanto mpanao hosodoko maro. Am-polony izy ireo no mandranty ny asa tanany sy ny haikantony eny an-toerana. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hifampizara eo amin’ny mpankafy hosodoko sy ireo mpahay kanto, ny fanomezana sehatra ireo mpahay kanto, indrindra […]

Fahatsiarovana an’i Madame ZO: handray anjara ny Compagnie Tahala

Anisan’ny handray anjara amin’ny hetsika fampahafantarana ny katalaogy mirakitra ny haikanton’i Madame Zo, eny amin’ny Fondation H Amba­tomena, ny Compagnie Tahala de Tamatave. Hetsika izay hatao ny sabotsy 20 ja­noary 2024. «Mpihaza Ri­votra » no anarana nampitondrain’izy ireo ity soradihy ho ataon’izy ireo ity. Dinampitia Zoe no namorona sy namolavola ity soradihy […]

Taom-pampisehoana 2024: hifaninanana ny seho goavana sy tsara kalitao

Raikitra! Hisokatra afaka herinandro vitsy ny taom-pampisehoana ho an’ny taona 2024. Efa naka bahana amam-bolana ireo mpanakanto sy mpikarakara, hifaninana amin’izany. Efa samy mandrangaranga ny tetikasany sahady… Manodidina ny Fetin’ny mpifankatia hatrany ny fanombohan’ny taom-pampisehoana eto Madagasikara. Saika seho anaty efitrano ihany anefa, satria mbola anaty vanim-potoan’ny orana izany. Ny […]

Tetikasa Kanto Manabe : efa miditra lalindalina ny fampiofanana

Nitohy omaly, teny amin’ny Tranomboky monisipaly Ana­lakely, ny fampiofanana ireo mpanabe ny Kanto, ao anatin’ ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM). Manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny haikanto, indrindra ny fa­na­o­vana sary no nampita ny fa­ha­lalany ta­min’ireo mpiofana, nandritra izany. Anisan’ izany Raharvel Katty sy Vania. Ny fototra amin’ny fanaovana sa­ry maro […]