Seho tsy fahita firy! Ho fahatsiarovana ny soa eo amin’ny kolontsaina napetrak’ireo mpamorona efa nodimandry. Hotanterahina ao amin’ny Auditorium Havoria Anosy, ny 16 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ilay rindrankira « Redombe fahatsiarovana ». Fantatra fa mihoatra ny folo ireo tarika handray anjara amin’ity: Solika, Ndriana Ramamonjy, R’Imbosa, Lala […]
kolon-tsaina
AFT Andavamamba : haseho an-tsehatra ny « Lakile roa »
Tanterahiny ny 3 novambra 2024, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampisehoana an-tsehatra ny tantara « Lakile roa ». Ny Tropy Antananarivo Teatra no hiangaly izany. Tantara miresaka mahakasika ny adina kandidà roa lahy nandritra ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna izy ity. Randrianavony Arsène no nanoratra ny tantara. Adin-dRadona sy Ratsimba, […]
Tarika Johary: hampiaina ny kalon-dry Barijaona sy Kintana Telo
Kalon’ny omaly… Hain’ny tarika johary tsara ny miangaly izany. Tsy mamerina fotsiny fa mampita sy mampiaina no tanjona amin’ilay fampisehoana hataon’ny tarika manaraka eo. «Tarika Johary mihira Barijaona sy Kintana Telo». Io ny lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosaina ny alahady 10 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy 14 minitra, ao […]
TARATRY ny KANTO
Na sabotsy, na andro alahady, ireo ihany no manavanana sy mahazatra ny mpanakanto manatanteraka seho eny an-tsehatra. Manaraka ho azy ny mpijery. Tsy voatery ho ireo, anefa, raha ny hita any ivelany. Ao ny manatanteraka izany andavanandro, saingy, amin’ny alina na amin’ny atoandro mitatao vovonana. Tsy voatery hanaraka izany akory […]
“Samy te…” : hilalao ao an-tokotaniny ny tarika ‘Zay
17 novambra, amin’ny 3 ora sy 28 minitra. Ilay daty sy ora voatondro, hihaonan’ny tarika ‘Zay sy ny mpankafy azy ao “an-tokotaniny” io. Eny, tokotanin’ny tarika ‘Zay sy ny mpankafy azy tokoa ny Lapan’ ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina. Tsy mbola nisy mantsy seho nataon’ny tarika ‘Zay tao ka […]




