Fahombiazana tamin’ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fampisehoana izay tena nalaza, nanome voninahitra ireo mpanakanto sy ireo olon’ny zavakanto, nanandratra ny mozika avy ao Toamasina ihany koa ny “Makua Festival Music”. Fankasitrahana hatraiza hatraiza. Mendrika izany i Shyn sy Denise sy ireo niara-nisalahy tamin’izy ireo tamin’ny fanatontosana ny andiany voalohany tamin’ny […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Fotoana nanomezana sehatra ireo mpanan-talenta rehetra amin’ny fahaizana mamorona lahatsoratra sy tononkalo ary ny fahaizana miantsa izany amin’ny endrika slam tetsy amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’izany ireo tanora maro. Nanentana sy nikarakara ny hetsika ny avy amin’ny fikambanana Madagaslam. […]
sanganasan’i Mozart : nofohazin’ny Madagascar Orchestra
Wolfgang Amadeus Mozart, iray amin’ireo andrarezina amin’ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Tao anatin’iny herinandro nivalona iny no nanatanterahin’ny Madagascar Orchestra seho «Nuit enchantée avec Mozart» ho famohazana indray ny sanganasany, tao amin’ny Le Grand café de la Gare (Salle de l’Horloge). Tao anatin’ny fizarana voalohany no niangalian-dry zareo […]
Fiderana Goavambe : nitondra hery vao ny TDL
Amin’ny ankapobeny, niompana tamin’ny fampahatsiahivana indray fa tsy irery ny olona tsirairay fa manana an’Andriamanitra ny seho « Fiderana Goavambe », notontosain’ny TDL, omaly, tetsy Antsahamanitra. Nitondra herim-panahy vaovao sy fankaherezana ho an’ny mpijery tonga teny an-toerana izy ireo. Saika nohirain-dry zareo rahateo ireo sanganasany mirakitra izany. Nanotrona ny True Direction Life […]
Kianja Barea Mahamasina : nanjakan’ny vazo miteny sy mozika mandona
Tontosa tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny fiara, Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny fampisehoana “Revy sy vazo mandona”. Hetsika nokarakarain’ny Be Mozik. Nitondrana ireo mozika mandona sy vazo miteny. Nifarimbona nanafana ny fampisehoana ireo mpanakanto maro samihafa, toa an-dry Samoela, Lôlô sy ny tariny, Rah-ckiky, Bebey sy Benny ary Nini. Hita teny […]




