kolon-tsaina

Anisha Jo : « Hitoriako fitiavana ho an’ny Malagasy ny mozikako »

Mandalo an-tanindrazana i Anisha Jo. Fotoana efa niriany ela sy efa nampanantenainy koa ity, taorian’ny nandre­seny tamin’ny “Star Academy” 2022. Mpanakanto tsotra, feno fitiavana. Izay raha tsaraina amin’ny in­dray mitopy maso i Anisha Jo. Raha ny talentany kosa, niara-nahita izao tontolo izao tamin’ ny nandrombahany ny laha­rana voalohany tamin’ilay fifaninanana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy velakevitra arahina adihevitra eny amin’ny Institut de civilisations, Musée d’art et d’archéologie Isoraka, anio amin’ny 10 ora maraina. Mahakasika ny « Vadin’Anarandray » eo amin’ny Betsileo ny lohahevitra hofakafaikana, tarihin’ny Dr Rakotorahalahy Njaka Elisabeth, mpikaroka ao amin’ny ICMAA. Heverina fa mahaliana ny maro, satria mahakasika rafi-piarahamonina ny lohahevitra. Ingahibe Tselonina, etsy […]

« Antsika hisôma »: Hisongadina ny fanodinana ny plastika

Tanterahina eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola ny « Antsika hisôma ». Hetsi­ka tanterahina anio sy amin’ny 20 desambra izao. Ny fi­kambanana Kolo Kitra sy ny Ma­da­gaslam, miaraka amin’ny IKM no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana izany. Kendrena ao anatin’izany ireo ankizy sy tanora. Atrikasa, vaky boky, fifaninanana, fampianarana hanodina harona […]

Finezza Ankadikely: Haneho ny kantony i Zouzar

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 13 janoary 2025, eny amin’ny Finezza Ankadikely, ny varotra fampirantiana « couleur vif » an’i Taibaly Dilavarhoussen Zouzar, fantatra amin’ny anarana hoe Zouzar Valibhay. Sanganasany miisa 12 no haranty mandritra izany. Ity mpanakanto ity izay manana ny mampiavaka azy sy tena manana talenta tokoa amin’ny fanaovana hosodoko. Fony […]