Fitiliana ireo talenta vao. Ary tena mahomby matoa tojo amin’ny andiany faha-5 sahady ny fifaninanan-kira «Graine de Star», karakarain’ny Taxi-Be Madagascar. Tontosa ny alin’ny alakamisy teo, tetsy amin’ny Le Taxi-Be Antanimena, ny famaranana ny fifaninanana « Graine de Star », andiany faha-5, tamin’ity. Nivoaka ho mpandresy tamin’ity efa-bavy niatrika ny famaranana ity, […]
kolon-tsaina
Havàtsa-Upem Arivonimamo : Hivoaka ny boky « Fandrotrarana »
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny fikambanana Havàtsa-Upem, sampana Arivonimamo, isika izao. Hotontosaina ny alarobia 18 desambra izao, amin’ny 10 ora maraina, ao amin’ny toerana famakiam-boky Clac, ao an-toerana, ny famoahana ilay boky nampitondraina ny lohateny « Fandrotrarana ». Mahatratra 16 ireo mpanoratra ao anatin’ity fikambanana ity, any Arivonimamo, no handrakitra […]
Tranombokim-pirenena : Manana tahala manokana i Inde
“India corner”, na tahala manokana ho an’ny firenena indianina. Sambany no misy ao amin’ny Tranombokim-pirenena izany. Mariky ny firoboroboan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izy ity. Mihamafy ny fifandraisana ara-kolontsaina sy ara-diplomatika eo amin’i Madagasikara sy Inde. Notokanana omaly mantsy ny “India corner”, tahala iray manokana ho an’ity firenena […]
TARATRY ny KANTO
« Vibe Tropical ». Hivadika ho Lapan’ny mozika tropikaly ny Lapan’ny fanatanjahantena, anio. Hanomboka amin’ny 7 ora alina ny fampisehoana, izay hafanain’i L-Jo, Lion Hill, Basta Lion ary i Mr Sayda. Tena fampisehoana feno ny anjaran’ny tarika tsirairay. Haka endrika toeram-pandihizana ankalamanjana kosa ny eny amin’ny “esplanade”, izay hafanain’i Dj Looping, manomboka […]
Mitohy ny lalana: Ceasar, ambasadaoron’ny Yas
Raha manonona anarana tanora malagasy mpanakanto malaza amin’izao fotoana, ao anatin’ny 5 voalohany i Ceasar. Mbola manamafy izany lazany izany ny nisafidianan’ny Yas Madagasikara azy ho ambasadaoron’ity orinasan-tserasera ity. Tontosa omaly, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Ankorondrano, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa vaovao. « Mitombo iray izao ny fianakavian’ny Yas Madagascar. […]





