Hotanterahina ny 1, 2, 3 novambra izao, any amin’ny Nosy Boraha, ny «Festival des Pirates» andiany faharoa. Hetsika ara-kolontsaina entina hampiroboroboana ny fizahantany sy ny toekarena ao an-toerana. Hisy ny lalao sy fifaninanana, fanentanana samihafa, ary fampisehoana ataon’ireo artista maro mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Hampiavaka ny amin’ity […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
“Ny tantaran’ny jazz”. Velakevitra hoentin’i Gina Ramarosaona sy Faniry Ramampy, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, izy ity. Ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina ao Vatofotsy Antsirabe no hanaovana izany. Fanokafana sahady ny hetsika “Madajazzcar” izy ity, izay anisan’ny tanàn-dehibe faharoa handray. Manana mpanakanto maro mpiangaly azy ity rahateo i Vakinankaratra. Nampahafantarin’ny […]
« Nofy maitso » andiany fahatelo: efa fantatra ny mpandray anjara
Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 18 novambra 2024, ao amin’ny Alliance Française de Tamatave, ny «Nofy maitso-Festival de Slam poèsie et écologie», andiany fahatelo. Mpiangaly «Slam poèsie» maro avy amin’ireo tanàn-dehibe miisa sivy eto Madagasikara, anisan’izany ny avy eto Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antsiranana, Antsirabe, Ambositra, Mananjary, Toamasina no handray anjara. […]
Faran’ny herinandro: hisy “Taombaovao” indray
“Lohataona: Taombaovaon’i Madagasikara”. Io indray ny “Taombaovao” manaraka eo, ankalazaina ny 4, 5 ary 6 oktobra ho avy izao. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, nataon’ny Communauté royale de Madagascar (CRM), omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fantatra tamin’izany fa hotontosaina ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova ny lanonam-panokafana, ny 4 oktobra […]
“Makua Festival Music”: hetsika ara-javakanto, ho an’ny tontolo iainana
Tarika maherin’ny 30 no hiaka-tsehatra ao Toamasina mandritra ny telo andro. Andrasan’ny maro ny “Makua Festival Music”, izay manana tanjona ny hamerenana ny faritra Atsinanana ho rakotra ala ihany koa. “Rahoviana no ho lany ny ala atsinanana?” Fomba fiteny efa ela no nilazoan’ny toetrandro io. Efa ripaka ary ho ringana […]




