Totoafo ny famerenana! Anisan’ny toerana lehibe handray ny Sehatra Bagasy amin’ity taona 2024 ity ny efitrano malalaky ny Havoria etsy Anosy. Ny sabotsy 16 novambra izao no hotanterahina eny an-toerana ny seho « Redombem-pahatsiarovana ». Mpihira sy mpitendry bagasy maro no handray anjara amin’izany. Anisan’ny hampiavaka ity seho karakarain’ny Sehatra Bagasy ity […]
kolon-tsaina
Franglish, mpanakanto mandalo eto Madagasikara : nahasarika vahiny sy Malagasy maro ny seho voalohany nataony
Maro mpankafy ny fampisehoana ataon’ny vahiny mpanankanto eto Madagasikara. Porofon’izany ny seho natolotr’i Franglish tetsy Mahamasina, omaly. Tontosa tetsy amin’ny Kianjan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina, omaly, ny fampisehoana nataon’i Franglish, vahiny mpanakanto malaza amin’ny fanaovana mozika rap. Seho voalohany notontosainy teto Madagasikara izy io. Tratra ny tanjona ho an’ny mpikarakara […]
“Miss Madagascar” : maro ireo fanatsarana entina
“177 ny mpifaninana maneran-tany, ka azo lazaina fa efa tsara toerana ihany i Madagasikara nandritra ny Miss Monde farany teo. Na izany aza, ezahina mba ho tafakatra ambonimbony kokoa ny naoty rehetra”, hoy ny nambaran’i Nicha, filoha lefitry komity mpikarakara ny “Miss Madagascar”. Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, […]
Fondation H Ambatomena : niavaka sy tsy nanam-paharoa ny « Injay ! »
Andrarezin’ny teatra sy haisoratra ary mozika no niray sehatra nanolotra seho iray ho an’ny mpankafy zavakanto teny amin’ny Fondation H Ambatomena. Seho tena kanto no natolotr’izy ireo ho an’ny mpankafy azy, izay nahafa-po tanteraka ny mpijery. Tontosa omaly, teny amin’ ny Fondation H Ambatomena, ny seho «Injay !», niarahana tamin’i Fanja […]
Faribolana Sandratra 35 taona :15 hiatrika famaranana antsa tononkalo
“Andeha isika hamorona olona tahaka antsika”… Io ny lohahevitra amin’ilay fifaninanana karakarain’ny Faribolana Sandratra, tafiditra anaty fanamarihana ny faha-35 taona nijoroany. Hiatrika famaranana amin’ny fiantsana tononkalo ireo 15 mianadahy tafakatra tamin’ny fifaninanana andiany voalohany, tetsy amin’ny CGM Analakely, ny volana aogositra lasa teo. Tsiahivina fa tsy ao anaty Faribolana Sandratra […]




