kolon-tsaina

“Feo sy Gitara”: hiray sehatra indray ry Mahaleo, Lolo sy ny tariny, Tselonina, sns

Raha manonona ireo tarika mpandray anjara, dia sarin-gitara sy ilay “revy ambony tamboho” avy hatany no mby ao an-tsaina… Ho tafaraka an-tsehatra ao amin’ny Coliseum indray, hampirevy “Feo sy Gitara”, izy ireo. Ela no niandrasana azy! Maro ireo nahatsiaro ilay seho goavambe na ny “Mega Concert”, izay notontosain’ny tarika Ma­haleo […]

Mozika klasika : hiverina ao amin’ny IFM Ny RE Ensemble

Mitohy hatrany ny «Con­cert classique de midi», fikarakaran’ny IFM Analakely. Efa nisehatra tao tamin’ny taon-dasa ary hiverina indray ny alarobia 17 mey izao ny RE Ensemble, hanatontosa ny andiany faha-139 amin’ity andian-tseho klasika ity. Ha­merina sy hamelona ny sanganasan’ireo mpamorona mozika klasika kalaza, toa an-dry Bach, Tchaïkovski, Debussy, Shostakovitch ary […]

Fikajiana ny tahirin-kevitra : nohamafisina ny traikefan’ny komity malagasy « Mémoire du monde »

«Raha misy antontan-kevitra iray very, haren-tsain’ ny zanak’olombelona maneran-tany no very», hoy Ravelojaona Manda, sekretera jeneralin’ny Vaomieram-pirenena malagasy ho an’ny Unesco. Fehezanteny namintina sy nanome lanja lehibe ny fivoriana voalohany notanterahin’ny Komity malagasy «Mémoire du monde», tany Antsirabe, ny 4 mey hatra­min’ny 6 mey teo. Fotoana nampitomboana sy nanatevenana ny […]

Ivokolo Analakely : hanjaka ny hatsikana ranofotsiny

Andro iraisam-pirenena ho an’ny hehy ny alahady 7 mey lasa teo. Ny sabotsy 13 mey izao kosa no hanamarika izany ireo mpanao hatsikana ampolony, etsy amin’ny Ivo­kolo Analakely. Fampisehoa­na hatsikana ranofotsiny, man­dritra ny ora maromaro ary maimaimpoana no homanin’izy ireo amin’izany. Hi­tarika ireo tanora mpanao ha­tsikana ireo efa fanta-daza toa […]