Gazela Meva – ampahafantarina mandritra ny «Sehatry ny mpanoratra». Niova an’izay ilay «Volana iray, mpanoratra iray», tetikasa mitohy an’ny minisiteran’ ny Kolontsaina sy ny serasera. Ampahafantarina mandritra ity volana septambra ity i Gazela Meva, mpanoratra, poeta, mpilalao an-tsehatra, mpamelona tantara an’ onjam-peo, sns. Hampahafantarina, mandritra izany, koa ireo sanganasany. Hanatanteraka […]
kolon-tsaina
8 taona niketrehana… : “Masoandro”, rakikira voalohan’i Day
Tsy toa ireo mpanakanto mihazakazaka amin’ny famoahana vokatra izy… Tsy maika ny hiaka-daza koa, kanefa nizara ny mozikany teo foana. Izao vao tapa-kevitra ny hamoaka ny rakikirany voalohany i Day. 8 taona no niketrehany ny “Masoandro”, izay haroso ho eny an-tsofina sy hipaka any amin’ny atifanahin’ny tena mpankafy mozika amin’izay. […]
« Hindi Diwas 2024 » : mbola voakajy ary manana ny maha izy azy ny teny « hindi »
Anisan’ny itarafana ny maha izy azy ny firenena iray ny teniny. Mbola mitandro fatratra izany ny Indianina, izany indrindra no anisan’ny antony hankalazana ny “Hindi Diwas 2024”. Tontosa omaly, teny amin’ ny Foibe toeran’ny masoivohon’ny Inde, teny Tsaralalàna, ny lanonana fankalazana ny « Hindi Diwas 2024 ». Izy ity izay fahatsiarovana ny […]
Kolontsaina sy soatoavina : miezaka mitana ny maha izy ny kabary ny Mpikalo
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-19, «Dominique Savio» ho an’ny avy eo anivon’ny fikambanana mpikabary katolika (Mpikalo). Miisa 510 no nandrafitra ity andiany ity. Ankoatra ny fitandroana sy fanajana ary fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy, […]
TARATRY ny KANTO
“Taste of The Sun”, horonantsary fanadihadiana voafidy handray anjara amin’ny “Sotambe Zambia International Film Festival” hotontosaina any Lusaka, Zambia, ny 20 hatramin’ny 27 septambra. Notontosain’i Ary-Misa Rakotobe izy ity, izay mifototra amin’ny fiompiana osy any Androy. Handeha ihany koa mandritra ny “International Heritalge Filma Festival” any Portugal ity horonantsary ity. […]




