Nahoana moa no tsy manana “Festival” koa Antalaha? Fanontaniana tao an-tsain’i Big Mj efa ela io, izay nataony ho tanjona. “Efa nandramako voalohany izy io, taona vitsivitsy lasa izay. Natao maimaimpoana teny amorontsiraka. Ampy nandinihina ny hanatsarana azy izay, ka tonga ny fotoana hanamasahana hetsika ara-kolontsaina ao Antalaha, izay tanànako”, […]
kolon-tsaina
«Vakoka sy boky» : nasongadina Ambatomanga
Niangarana, satria nandray ny «Vakoka sy boky» ny tanànan’Ambatomanga. Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tany amin’ity kaominina anisan’ny manan-tantara eto Imerina ity, ny hetsika nokarakarain’ny «Opération Bokiko». Tsotra ny antony: miresaka ny tanànan’Ambatomanga ilay boky nosoratan’i Michèle Rakotoson, izay nahazo ny «Prix POLA» tamin’ny taon-dasa. Izy rahateo no filoham-boninahitry ny […]
«festival du rire Jôkôsô»: samy afapo ny fianakaviamben’ny hatsikana
Mivoatra ary miha matihanina hatrany ny hetsika « festival du rire Jôkôsô ». Taratra izany nandritra ny fampisehoana namaranana ny hetsika, omaly. Nanome ny tsara indrindra avy aminy ny mpandray anjara. Tontosa omaly, teny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana nanakatonana ny «festival du rire Jôkôsô», andiany fahefatra. Malagasy mpanao […]
TARATRY ny KANTO
“Pho Tour” – eny amin’ny Aire du By Pass indray. Maromaro izay “cabarets” notontosaina teny amin’ireo toeram-pisakafoanana Pho teto Antananarivo izay. Anjaran’ny Pho Aire du By Pass indray ny anio, manomboka amin’ny 5 hariva. Hanafana izany ry Rija Ramanantoanina, Nanie, Bodo ary i Mahery. Mpanakanto samy kalaza ary efa zatra […]
Saba-droa lela: ilaina ny kolontsaina vahiny saingy…
Manomboka mahazo vahana eto Madagasikara ny fampidirana ho anisan’ny taranja ianarana, ny kolontsaina vahiny. Saba-droa lela! Raha ny tantara, ny famotehana ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy no anisan’ireo paikady nialoha lalana ny basy aman-tafondro nentin’ny vahiny nanimba ny Malagasy sy i Madagasikara. Rehefa narefo tany amin’ny Malagasy ny fahalalana […]




