kolon-tsaina

Rallye Moi(s) Théâtre : hahazo laka ny ankizy 7 hatramin’ny 11 taona

Hotontosaina, anio, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy/Gz Tohatohabaton’ Antaninarenina, ny atrikasa ho fanomezana fototra mom­ba ny «Amponga sy dihy gasy» ho an’ny ankizy 7 ka hatramin’ny 11 taona. Hetsika tafiditra ao anatin’ny Rallye Moi(s) Théâtre 2023 karakarain’ny Compagnie Miangaly. Ireo mpitendry sy mpiangaly dihin-drazana no hiantsoroka ny fampiofanana amin’io fizarana voalohany […]

Hetsika “Songadina”: hifarana, anio, ny fampahafantarana an’i Mahajanga

Tsy mitsaha-mitombo ny mpanaraka ny hetsika mampahafantatra ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Miezaka hatrany ihany koa ny mpikarakara manatanteraka hetsika samihafa ho fampahafantarana ny Malagasy ny kolontsainy sy ny fomba amam-panaony. Hotanterahina, anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola ny lanonam-pamaranana ny hetsika “Songadina” ho an’ny faritra […]

Orange du Livre en Afrique 2023 : hiatrika ny famaranana i Michèle Rakotoson

Anisan’ireo mpifaninana dimy hiatrika ny famaranan’ny “Prix Orange du Livre en Afrique 2023”, andiany fahadimy, i Michèle Rakotoson, amin’ny alalan’ilay bokiny “Ambatomanga”. Ny 15 mar­sa 2023 no namoahan’ny mpikarakara ny vokatra, tany Abidjan Cote d’Ivoire. Naha­tratra 38 ny boky nifaninana tamin’ity andiany ity. Boky avy amina firenena 12 avy eto […]

Sehatry ny dihy: hankalaza ny faha-25 taonany ny tarika “Rary”

Tontosa teny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, ny alakamisy 16 marsa 2023, ny resadresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny tarika Rary. Noresahin’ny tomponandraikitra tamin’izany ny momba ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny tarika Rary, misehatra eo amin’ny dihy. Tanjona ny hanatsara hatrany ny tarika, indrindra ny sehatry ny dihy eto Madagasi­kara, hoy […]