kolon-tsaina

“Arts &Biodivérsité” : tanjona ny hikajiana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny zavakanto

Nampahafantarina ny mpanao gazety, omaly, nandritra ny valandresaka ireo mpanakanto mpandresin’ny tetikasa “Arts & Biodivérsité”. Hisy kosa ny fampiratiana ireo vokatra, ho an’ny daholobe, manomboka anio hatramin’ny 25 oktobra 2024, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Tanterahina anio, eny amin’ ny La Teinturerie Ampa­sanimalo, ny lanonana fanolorana ny amboara ho an’ny […]

« Festival des Pirates » : hampiroborobo ny fizahantany any Nosy Boraha

Hotanterahina ny 1, 2, 3 novambra izao, any amin’ny Nosy Boraha, ny «Festival des Pirates» andiany faharoa. Hetsika ara-kolontsaina entina hampiroboroboana ny fizahantany sy ny toekarena ao an-toerana. Hisy ny lalao sy fifaninanana, fa­nentanana samihafa, ary fampisehoana ataon’ireo artista maro mandritra ny telo andro hanaovana ny hetsika. Ham­piavaka ny amin’ity […]

TARATRY ny KANTO

“Ny tantaran’ny jazz”. Velakevitra hoentin’i Gina Ramarosaona sy Faniry Ramampy, anio manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, izy ity. Ao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina ao Vatofotsy Antsirabe no hanaovana izany. Fanokafana sahady ny hetsika “Madajazzcar” izy ity, izay anisan’ny tanàn-dehibe faharoa handray. Manana mpanakanto maro mpiangaly azy ity rahateo i Vakinankaratra. Nampahafantarin’ny […]

« Nofy maitso » andiany fahatelo: efa fantatra ny mpandray anjara

Hotanterahina ny 11 hatramin’ny 18 novambra 2024, ao amin’ny Alliance Française de Tamatave, ny «Nofy maitso-Festival de Slam poèsie et écologie», andiany fahatelo. Mpiangaly «Slam poèsie» ma­ro avy amin’ireo tanàn-dehibe miisa sivy eto Madagasikara, anisan’izany ny avy eto An­tananarivo, Mahajanga, Fia­na­rantsoa, Toliara, Antsira­nana, Antsirabe, Ambositra, Mananjary, Toamasina no handray anjara. […]

Faran’ny herinandro: hisy “Taombaovao” indray

“Lohataona: Taombaovaon’i Madagasikara”. Io indray ny “Taombaovao” manaraka eo, ankalazaina ny 4, 5 ary 6 oktobra ho avy izao. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, nataon’ny Communauté royale de Madagascar (CRM), omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy. Fantatra tamin’izany fa hotontosaina ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova ny lanonam-panokafana, ny 4 oktobra […]