kolon-tsaina

Anaran-tsamirery malagasy: misy hevitra fonosiny noho ny finoan’ireo ray aman-dreny

Anisan’ny mamaritra ny maha izy azy ny olona iray ny anarana. Na­nana ny heviny izany teo amin’ny Malagasy, indrindra tamin’ny va­ninandro taloha. Somary very, noho ny fanarahana ny fomba vahiny izany amin’izao fotoana izao. Anisan’ny firenena manana anarana lava ny eto Madagasikara. Voaka­sik’izany ny anaran-tanàna sy ny anaran’olona. Mampito­lagaga ny […]

TARATRY ny KANTO

Johary mihira Kintana Telo. Fotoan-dehibe rahampitso alahady, ho an’ireo mpankafy ny kalon’ny omaly. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ilay fampisehoana ao amin’ny CCEsca Antanimena, iarahana amin-dry Gothlieb, Luk ary Mahery, hamelona indray ireo hira novazoin’ny Kintana Telo. Mbola eo ihany koa i Salomon, hiray sehatra amin’izy ireo. Anisan’ny handray anjara […]

« Festival Sobahya » Katsepy : ho vahiny ry Komo sy Choc Choc avy atsy Mayotte

Hetsika iray maneho ny kolontsaina mivelatra ny «Festival Sobahya». Hiditra amin’ny andiany faha-18 sa­ha­dy izany amin’ity, hatao any Katsepy, ny 9 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao. Fano­mezan-danja ny «Sobahya», ilay lamba mampiavaka ny Sakalava Maroambitsy, monina any amin’ity tapany andrefan’ny Faritra Boeny ity izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, […]

Faribolana Sandratra : hisy ny fifaninanana miantsa tononkalo

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra. Hisy ny fifaninanana miantsa nampitondraina ny lohateny : «Andeha isika hamorona olona tahaka antsika». Tononkalon’ny Faribolana Sandratra no antsain’ny mpifaninana. Tsy azon’ny mpifaninana hafa atao, ny miantsa ny sanganasan’ny mpanoratra efa nisy nisafidy. Mpanoratra iray, an’ny mpifaninana iray. Mandritra ny dingan’ny fifanintsanana, […]

« Iray volan’ny Varatava » : miditra amin’ny andiany fahenina ny hetsika

Taorian’ny iray volan’ny hosodoko, miditra amin’ny iray volan’ny varatava indray ny fianakaviamben’ny mpankafy sary. Misokatra ary natao ho an’ny rehetra izany. Tontosa omaly, teny amin’ ny Ivon-toeran’ny Kolon­tsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny «Iray Volan’ny Varatava». Hetsika karakarain’ny fikambanana Varatava, eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera […]