Tanora malagasy, mpiangaly « Slam poèsie », anisan’ny manana ny maha izy azy Andrianahy Zanadaory Joel Bastino, fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny « Slam pèsie » hoe Konahy Junior. Laharana fahatelo izy nandritra ny fifaninanana nasionaly farany teo, taorian’i Santa sy Orad. Hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny “World Poetry Slam Championship” (WPSC), […]
kolon-tsaina
Faribolana Sandratra 35 taona: fantatra rahampitso ny mpiantsa tononkalo sangany
15 mianadahy izy ireo no hiatrika ny famaranana amin’ ilay fifaninanana miantsa tononkalo, ampanaovin’ny Faribolana Sandratra. Hetsika « Andeha isika hamorona olona tahaka antsika », tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 niorenany. Ahitana an’i Kiady Andrianarimalala, Fahasoavana, Tsiferana Mamisaholy, Ny Volantiana, Fimandi Marïsca, Ikala Kely, Miantsa Niaina, Diart Mikalo, Fanomezantsoa, Racl Joseclaudio, […]
Fiarahamonina: Miboridana andro aman’alina ny Malagasy
Manana ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Saika voafehin’ireny ny ankamaroan’ny andavanandrom-piainany mba tsy hihoa-pefy. Olon-kendry, olom-banona, fototr’olona, sns, no niantsoany ireo nikajy sy nampita izany… Ankehitriny, tapaka ny arofanina, niboridana ny Malagasy ! Tsy vitan’ny nesoriny fa nariany ny ankamaroan’ny maha Malagasy azy, hany ka tsy mitsaha-miboridana andro aman’alina. Ny olona […]
TARATRY ny KANTO
Hiaka-tsehatra any Berlin ry Erick Manana sy Jenny. Hilalao ao amin’ny « Kirche auf dem Tempelhofer Feld » izy ireo ny sabotsy ho avy izao. Hanaraka azy amin’izany i Passy eo amin’ny valiha, Miriam Lormes eo amin’ny alto ary i Hery Andrianasolo hilalao ny angorodao. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-15 […]
Tsy ho afa-mandroso : miandry vahiny hatrany ny Malagasy
Tsy manam-bola matoa omen’ny vahiny famatsiam-bola. Tsy manam-bary matoa manafatra vary. Tsy manana manam-pahaizana matoa miondrika eo anatrehan’ny zava-boalazan’ny vahiny, sns. Saika tsy ananan’ny Malagasy sy i Madagasikara avokoa ny zava-drehetra matoa voasokajy ao anatin’ny firenena farahidiny eto ambany masoandro. Miaina ao anatin’ny fahantrana lalina. Na fomba fiteny tsy nipoitra […]





