kolon-tsaina

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny: apetraka ho laharam-pahamehana ny fikoloana ny teny malagasy

“Tenindreny ibeazana, fanoitra ho an’ny fampandrosoana”. Io no lohahevitra niompanan’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny, omaly. Hetsika marolafy no nanamarihana ny omaly 21 febroary, izay natokan’ny Unesco ho andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny isan-taona. Nisy ny lahateny manokana nataon’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Andria­tongarivo Lalatiana omaly, […]

AFT Andavamamba: nifarana ny “Festival des livres romantiques”

Afa-po tamin’ny vokatra hita nandritra ny “Festival des livres romantiques” andiany voalohany, natao nandrindra ny telo herinandro, teny amin’ny Alliance Française d’Antana­narivo na AFT Andavama­mba, ny mpikarakara. Fivaro­tana sy fifanakalozana boky, fampisehoana talenta momba ny fandravahana, fifaninanana teo amin’ny sehatry ny literatiora. Ireo no nandravahana ity hetsika lehibe ity. Nahazo […]

Hetsika marolafy : homarihina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny

21 febroary, andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny. Hisy hetsika marolafy hanamarihana izany, anio sy rahampitso. Hanokatra azy ny tafa iarahana amin’ireo mpanoratra dimy mianadahy, etsy amin’ny Mozaïk Antsahabe, manomboka amin’ny 10 ora maraina. Hanodidina ny lohahevitra “Ny fanoratana boky ho an’ny ankizy amin’ny teny malagasy” ny resadresaka hotarihin’i Hobiana Andriani­merina, […]

Fondation H: miezaka mampiroborobo ny kolontsaina

Tanjona napetraka, tany am-piforonany ny hampiroborobo sy hiantsoroka ny kolontsaina, ho an’ity ivontoerana ity. Misokatra ho azy ireo sy ny mpankafy haikanto ny toerana vaovao, nampifanarahana amin’ny filan’ny mpahay kanto. Notanterahina ny 20 fe­broary 2023, teny amin’ny Radisson Blu An­tananarivo, ny fampahafantarana ny toerana vaovao hisy ny Fondation H. Nam­pa­ha­fantarina […]

IFM Analakely : voasariky ny fampirantina ny mpanao hosodoko

Miditra amin’ny herinandro farany anaovana ny varotra fampirantina ny eny amin’ny Institut Française de Ma­dagascar na IFM Analakely. Varotra fampirantina tanterahin’i Guy Pradel, mpanao ho­sodoko matihanina. “Ny vahiny sy ny malagasy ao anatin’ny tontolon’ny hosodoko iha­ny no tena lina amin’ny hetsika. Tanjona anefa ny hampiseho bebekokoa ny hosodoka amin’ny Malagasy”, […]