Anisan’ireo foibe fikarohana sy fanabeazana ary fampianarana momba ny kolontsaina malagasy, ela niorenana ny Zanabaliha. Nisy fotoana niova endrika izy io. Ankehitriny, miverina amin’ny nahalalana azy ary mivelatra amin’ny lafiny hafa… Tany amin’ny taona 1980 no efa nanomboka ny dinika hoenti-mamerina indray ny Malagasy hiaina ny kolontsainy. Nifanindran-dalana tamin’izany, efa […]
kolon-tsaina
Tarika Telofangady : hira 30 no alahatra rahampitso
“Hiran’ny tarika manontolo, tsy misy fangarony, no alahatray”. Io no nambaran-dRahaja, lehiben’ny tarika Telofangady. Mahakasika ilay fampisehoana “Gasikarako”, izay hotontosain’ izy ireo etsy amin’ny Ivokolo Analakely, rahampitso 7 jolay manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hira manodidina ny 30 isa eo izy ireo, izay misy vaovao sy ireo nampalaza ny Telofangady […]
Rovan’i Madagasikara : mitombo ny fampahalalana an-dRanavalona III
Anisan’ny zava-dehibe sy tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny taranaka ny fahafantarana ny tantarany. Tokony ho hataon’ny tomponandraikitra lohalaharana ihany koa ny fampahafantarana izany. Notanterahina omaly, teny amin’ny Rovan’i Madagasikara, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny efitrano fampirantiana entina mampahafantatra misimisy kokoa ny mpanjaka Ranavalona III. Niatrika izany ny minisitry ny […]
Madagascourt Film Festival : hanokatra ny sehatra ny sarimihetsika «Joro»
Tanterahina anio, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely, ny lanonana fanokafana amin’ ny fomba ofisialy, ny «Madagascourt Film Festival», andiany faha-19. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny horonantsary eto Afrika, indrindra eto Madagasikara, ity hatao ity. Sarimihetsika anisan’ny manana ny maha izy azy ny horonantsarimihetsika “Joro”, notontosain-dRandriamanantsoa Rianando Ludovic, […]
Hiragasy: Hanamarika ny 35 taona an- tsehatra Rasoalalao Kavia
Iray amin’ireo tarika kalaza indrindra amin’ny hiragasy ry Rasoalalao Kavia. Hiavaka ny taom-pilalaovana, satria hanamarika ny 35 taona nilomanosan-dRasoalalao tanatin’ny hiragasy izy ireo. Ao anatiny. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana ho an’ireo tarika mpanao hiragasy malaza rehetra. Ho an’ny tarika Rasoalalao Kavia manokana, efa nanomboka ny volana marsa izy ireo no […]




