Tanterahina mandritra ny volana jolay sy aogositra, mitety ny tranomboky eto Antananarivo, ny «Fialantsasatra kanto». Hetsika ara-javakanto maro samihafa no handravaka izany, karakarain’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), miaraka amin’ny mpahay kanto isan-karazany. Marihina fa maimaimpoana tanteraka ny hetsika. Ny ankizy no tena kendrena ao anatin’izany. Ankoatra ny fitazonana ny sain’izy […]
kolon-tsaina
« 15ème Dimanche classique »: hiaka-tsehatra ny LMM Saxophone Quartet
Tafiditra ao anatin’ny fanadaharam-potoana karakarain’ ny Madagascar Mozarteum. Hanatanteraka ny kaonseritra andiany faha-15 amin’ny «15ème Dimanche classique» ny LMM Saxophone Quartet. Ireo sanganasan’i Astor Piazzolla tahaka ny «Close your eyes and listen», «Libertango escualo», «Oblivion», Chiquilin de Bachin », sns, no holalaovin’izy ireo amin’izany. Seho hotontosaina ao amin’ny Alliance Française Andavamamba, […]
Ny manana no manome: Ratsy taiza ny Malagasy sasany
« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza”, hoy ny ohabolana malagasy manamafy ilay lamina voajanahary: “izay manana ihany no manome”! Manam-be tokoa ny Malagasy… Omeny sy aparitany eny amin’ny fiarahamonina izany! Tanora malagasy, tsy manaja raiamandreny. Ny zaza malagasy tsy manaja mpampianatra, sns. Olona tsy manome hasina. Olona mpanivaiva… Ka izay […]
“Revirevy mody masoandro”: hiditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika
Hahazo tombony indray ireo mpankafy vazo miteny sy ny mozikan’ny taona 80. Noezahin’ny mpikarakara hifaranaka amin’izay maha revirevy azy izay ny fizotran’ny fampisehoana amin’io fotoana io hahatanteraka ilay hoe “Revirevy mody masoandro”. Hotanterahina ny alahady 28 jolay 2024, eny amin’ny Centre de Conférence International (CCI) Ivato, ny fampisehoana “Revirevy mody […]
Lamtah London : hiverina an-tsehatra
Mivoatra manaraka ny filana ny mozika. Nanaraka izay rivotra izay i Lamtah London. Anisan’ireo mpanakanto zanak’i Toliara, nisafidy ny mozika an-tanàn-dehibe izy, tamin’ny nanombohany 10 taona lasa izay. Nanafangaro ny ragga dancehall, ny reggae roots, sns, tamin’izany, ka namoaka ny “Reveny”, sns. Nisy fotoana niato kely, naka bahana ho an’ny […]




