« Efa ela loatra… ». Nosafidiana manokana ho lohahevitry ny fankalazana ny faha-45 taona nilomanosan’ny Olombelo Ricky tao anatin’ny mozika io. Nihaona indray tamin’ny mpanao gazety izy sy ny mpikarakara, omaly, tetsy amn’ny Ny havana 67 Ha. « Samy hahazo ny anjarany ny mpankafy tsirairay, tao anatin’izay fotoana lavalava izay », hoy ny fampanantenany […]
kolon-tsaina
Tranomboky Analakely: Novatsian’ny japoney boky
Mihabevoho hatrany. Nanolotra boky miisa 300 ho an’ny Tranomboky monisipalin’Antananarivo, etsy Analakely, ny masoivohon’i Japon, omaly. Boky amin’ny teny frantsay miisa 300, izay miresaka momba ny tantaran’i Japon, ny kolontsaina, tantara an-tsary, boky fianarana, sns ireo. « Mety ireto boky ireto no hahafantaran’ny Malagasy voalohany an’i Japon. Mety handrisika azy ireo […]
Fampirantiana « Safiotra »: Haneho ny tafan-kolontsaina marolafy
Handray fampirantiana marolafy anisan’ny lehibe indrindra ny Fondation H. Ho avy hitondra ny « Safiotra » ao i Yinka Shonibare, miaraka amin’ireo vahiny sy Malagasy manan-talenta sy manampahaizana hafa, hihodidina ny lohahevitra amin’ny alalan’ny kanto sy ny tafa. «Safiotra » [Hybridités/Hybridities]. Io indray no anaran’ny fampirantiana goavana sy iraisam-pirenena horaisin’ny Fondation H, manomboka […]
TARATRY ny KANTO
Notokanana nandritra ny Alahamadibe teo, ny Zomban’i Marololo, ao amin’ny vohitr’Andrainisisa, any Ankadivoribe. Nanaraka antsakany sy andavany ny fomba amam-panao rehetra izany, izay nokarakarain’ny fikambanan’ny Zanadrano Mpikaroka Raokandro, tarihin-dRandrianantenaina Jean Emickaël. Nisy ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana, ny zara hasina, sns, ankoatra ny tsodrano sy ny fanao rehetra rehefa Alahamadibe. […]
Boky sy ny zon’ny mpamorona : Hifanatrika ny mpisehatra sy ny Omda
Adihevitra tena ilaina. Hotontosaina anio manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny velakevitra arahina ady hevitra manodidina ny «Boky sy ny zon’ny mpanoratra: Ny olana sy ny fanamby». Hifanatrika mandritra io fotoana io Rarivojaona Joelinirina, talen’ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, Razafintsalama Marie […]