Miverina tsikelikely ny famatsian-dranon’ny Jirama eto an-dRenivohitra. Nisitraka izany ny eny Nanisana, Ankadindramamy, Manjakaray hatrany Itaosy. Mbola ho avy koa ny an’ny faritra hafa, ka hisy ny famokarana rano 100m3 isan’ora fanampiny, ankoatra ny efa nosokafana ny zoma 16 mey teo, teny Mandroseza. Mitentina 13,97 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola avy […]
kolon-tsaina
Dokambarotra : Homen-danja ny famoronan’olombelona
Hatao ny zoma 12 jona ho avy izao ny hetsika momba ny fanaovana dokambarotra na «Nuit de la publicité et de la créativité» (NPC). Hotontosaina etsy amin’ny efitra malalaka Havoria Anosy, izany. Karakarain’ny sampana Serasera-Fanaovan-gazety ao amin’ny Sekoly IEP sy ny mpiara-miombon’antoka maro izy io. Nohazavain’ny Filoha (PDG) ny IEP, […]
Manakara : Manakaiky ny mpandraharaha ny EDBM
Fanamby apetraky ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny hanatsara ny tontolon’ny fandraharahana sy ny fampandrosoana ny fampiasam-bola. Dingana lehibe hanakaikezana ny tolotra omeny ho an’ireo mpampisa vola sy ireo mpandraharaha ny fanokafana ny masoivohony ao Manakara. Tafiditra anatin’ny faha-20 taonan’ny EDBM izany. Nasongadin’ny solombavabahoaka voafidy tao an-toerana, nandritra […]
TARATRY ny KANTO
Tsiakoraka, 40 taona an-tsehatra. An’io Ilay seho goavana hanamarihana izany, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CC Esca Antanimena. Hamerina ireo hira nahafantarana azy nanomboka tany amin’ny taona 80 tany ny tarika amin’io. Ho vahiny manokana ny tarika Levelo, izay azo lazaina ho indray nihira tamin’izy ireo ihany. « Lundi […]
Fampitiavana ny teny malagasy : Mbola olana ny fanapahan-kevitra politika
Andro vitsy sisa no isaina, Hiditra ao anatin’ny «Iray volan’ny teny malagasy», indray, i Madagasikara. Hetsika maro no efa fantatra fa hotanterahina. Hatramin’izao, tsy mbola hita mazava ny soa hoentin’io fankalazana io. Saika mitovitovy isan-taona, rahateo, ny zava-misy. Fampirantiana, antsa tononkalo, velakevitra, sns. Iray amin’ireo mandesoka ny fitiavan’ny Malagasy ny […]




