«Voambolana malagasy maha sadaikatra : fady sa azo tenenina ?». Lohahevitra hovelabelarin’ Ny Mpanabe Tsara mandritra ny Famoloana Telozoro, izay hatao rahampitso amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokimpirenena Anosy io. Mahakasika ny teny malagasy disoana fanoratra anaty tambajotra kosa ny anjaran’i Ariela Fanoitra, poeta sy mpanoratra aorian’ izay. Tratra ny tanjona ho […]
kolon-tsaina
Tantara « Ilay tena Reniko »: Nirotsa-dranomaso ny mpilalao
Tranga niavaka nandritra ny fanamarihana ny « Fetin’ny Reny » farany teo! Tantara « Ilay tena Reniko » nosoratan’i Namby Mivetso. Ny fizarana voalohany, nalefa ho an’ny mpihaino Radio tamin’iny herinandro iny. Tantara vaovao novelomin’i Nirina, Ralala, Tapaporohana, Antsaravaka, Nax Rabemanantsoa ary Harinala. «Ny ampahany tamin-dry zareo ireo, nirotsa-dranomaso mihitsy teo am-pamelomana ny tantara. Tsy […]
Fifaninanana tantara foronina 2024 : Nahazo ny laharana voalohany i Rija-Al-Jonah
Mpanoratra telo isaky ny sokajy nifaninanana no nivoaka mpandresy. Natolotra omaly ny lokan’ireo voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena « Literatiora 2024 ». Rijamamy Rakotondrasoa Joseph, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana Rija-Al-Jonah. Izy no nandrombaka ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy tantara foronina, tamin’ilay fifaninanana «Literatiora 2024». Ilay tantara «Mena mirahavavy» no nentin’ity mpanoratra […]
« Fetin’i Mama » Nizarana tsiky, hehy…
Hira sy ny fomba nentina naneho izany. Ireo karazam-pihetsika samihafa. Ny fitafiana… Indrindra fa ireo mpanakanto niaka-tsehatra tetsy Antsahamanitra, omaly. Samy nanasongadina fatratra fa nentina nizarana tsiky, hehy, tokelaka, sns, ilay fampisehoana « Fetin’i Mama ». Hatsikana mifandraika sy maneho ireo tranga iainan’ny reny ao anivon’ny tokantrano, eny amin’ny fiarahamonina, sns. Samy […]
« Tiako i Neny » : Fampisehoana nanome hasina ny Reny
Seho an-tsehatra niompana tanteraka tamin’ny Reny. Naneho ihany koa ny hakanton’ny vehivavy izay ho Reny any aoriana… Nanasongadina fa mpanabe sy mpitaiza afaka miatrika tranga mafy i Neny. Ny nifantenana ny hira. Ny fomba fisehoana eny an-tsehatra. Ny fiarahan’ny feo sy ny zavamaneno… Samy nanaja ilay kitapo nifonosana avokoa. Nanome […]




