kolon-tsaina

Afaka andro vitsy: hisongadina indray ny fisian’ny Reny

«Fetin’ny Reny », hono, ny 26 mey izao. Hotolorana fanomezana i Neny. Ny fihetsika sy ny fiteny, hatao izay mahafaly an’i Neny… Hison­gadina indray ny fisian’ny Reny. Tsa­roana ao anatin’ny ora maromaro ny adidy lehibe eo an-tsorony. Kitapo nifonosana, niankin-drindrina irery, nisotro ny rano tsy tiana, nampinono, nitrotro, nibaby, nanome sakafo […]

TARATRY ny KANTO

Hanohy ny seho any Allemagne ry Ralah Trio. Tafahoana indray any Frantsa, ary nandray anjara tamin’ilay hetsika “Festival Tsika Jiaby” ry Ralah Trio. Fantatra fa hitodi-doha ho any Allemagne ry Tsanta (marovany, gitara, trompetra ary vata ma­roafitsoka), Ranto (gitara beso) ary Titan (amponga maroanaka), ka hiaka-tsehatra any Mainz ny alarobia […]

“Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano” : tanjona ny fanandratana ny fihavanana sy ny firaisankina

Hikolo ny sain’ny olona hifarimbona ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, amin’ny alalan’ny zavakanto no antom-pisian’ny hetsika. Fifarimbonana ao anaty firaisankina sy fihavanana, izay anisan’ny nampiavaka ny Malagasy nefa takona ankehitriny. Tanterahina ny 8 sy 9 jona 2024, eny amin’iny faritra Besarety iny, ny “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”, andiany fahadimy. Hetsika ara-javakanto […]

TARATRY ny KANTO

Hampahafantarina ireo mozea rehetra manerana an’i Madagasikara. Nomarihina ny sabotsy 18 mey lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Mifandimby mandeha amin’ny TVM sy ny pejin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izany, hatramin’ny 24 mey izao. Anisany, ohatra, ny mozean’ny saripika eny Andohalo, ny mozean’ny Zandarimaria any Moramanga, sns. […]