Tontosa omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny hetsika niarahana tamin-dRalantoaritsimba Nirina, Malagasy manana ila frantsay, mpanoratra sady mpanao hosodoko. Atrikasa mahakasika ny hosodoko sy ny fanoratana no nandravahana izany. Nandritra ny hetsika no nizarany ny traikefany eo amin’ny maha mpanoratra sy mpiangaly hosodoko azy. Ankoatra izay, tanjona […]
kolon-tsaina
Fetin’ny Reny : omena « Fehezan-kalo » i Neny
Hafa tsy tahaka ny nahazatra! Sady fanomezan-danja ny kolontsaina malagasy no fanomezan-kasina ny Reny. Hotoloran’ny Foibe fikarohana sy fampiofanana momba ny mozika « Valiha Académie » fehezan-kalo ny Reny rehetra. Tendren’izy ireo amin’ny valiha ka alefany ao anaty facebook izany. Avy amin’ny famelomana sy famerenana ary fampahatsiahivana (Cover) ny sanganasan’ireo andrarezin’ny hira […]
« In the name of love »: hamoaka rakikira vaovao ny Hell’s Rush
“Aza kivikivy”. Rakitsary iray an’ny Hell’s Rush, ahitana ny firafitry ny tarika amin’izao fotoana io. Anisan’ireo hira mandrafitra ny rakikira vaovao, “In the name of love” izany. “Rakikira noketrehina tato nandritra ny fotoana elaela izy ity. Eo foana ny maha mpanao rock, saingy misokatra be izahay fa tsy voafehin’ny hoe […]
TARATRY ny KANTO
La Teinturerie – Mafonja sy i Silo. Fampiarahana talenta naharitra tokoa ny azy roa lahy. Be mpankafy ary manan-kozaraina hatrany ireto mpanakanto ireto. Manome fotoana « ao an-tokotaniny », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy […]
Dihy ankehitriny: hanatanteraka seho miavaka ny Cie Katrakala
Hotontosaina ny sabotsy 18 mey 2024, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny “Tasy”. Fampisehoana maroloko ifangaroan’ny dihy sy ny mozika ary ny saripika, hiarahana amin’ny Compagnie Katrakala. Tanjon’ny hetsika ny hanaitra ny feon’ny fieritreretan’ny rehetra noho ny fanapotehana sy fanimbana ataon’ny kolikoly eto Madagasikara. Tsy toy ny mahazatra anefa […]




