Seho tsy nisy vidim-pidirana, saingy seho tena matihanina. Izay no azo hamaritana ny “Noely Fihobiana”, notontosaina ny zoma tolakandro teo, tetsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, Mahamasina. Nanjakan’ny firaisankina tanteraka, satria izay tokoa no tanjon’ny Sampana Tanora Kristianina (STK) foibe avy eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), […]
kolon-tsaina
Fiverenana an-tsehatra: vonona amin’ny dingana manaraka i Lalie
Tsy nisy latsaka! Ilay feo miavaka, mbola i Lalie ihany no Lalie. Feno fahatokisan-tena ary mpanakanto tena nanomana no tsikaritr’ireo tsara vintana ka nanatrika ny seho izay nataon’ity mpanakanto ity ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny Le Galet Manakambahiny. “Tadidinareo ve izany?” hoy ny fanotaniany raha namerina ny “Fo mifampitady”. […]
Fifaninanana hatsaram-bika: voahosotra ho « Miss Analamanga 2023 » i Fitia Sonia
Efa fantatra ny solontenan’ny Faritra Analamanga, mandritra ny fifaninanana “Miss Madagascar”. Fitia Sonia no voahosotra ho “Miss Analamanga”, taorian’ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana , ny zoma teo. Tontosa ny alin’ny zoma 23 desambra 2022, teny amin’ny CCI Ivato, ny famaranana ny « Miss Analamanga 2023 ». Niisa 20 ireo tovovavy nifaninana nandritra ny […]
Madagaslam: Mitohy ny hetsika ho an’ ny fikambanana
Zava-dehibe ny fahafantarana ny zava-misy sy ny vitan’ny teo aloha ahafahana manatsara sy manasongadina ny aty aoriana. Izany indrindra no antom-pisian’ny fampirantiana tao anatin’izay fotoana izay. Miditra amin’ny andro farany, hamaranana ny fampirantiana mahakasika ny Slam Malagasy, ny etsy amin’ny Ivotoeran’ny Kolontsaina Malagasy na IKM Antsahavola. Tanjona ny hampahafantarana ny […]
Namoaka vokatra vaovao: “Manao mozika foana aho”, hoy i Kiady
Ary i Kiady toa tsy namoaka hira intsony? Fanontaniana heno matetika avy amin’ireo mpankafy azy izany. “Manao mozika foana aho, mamorona foana ihany koa. Betsaka aza ny hira vaovao satria efa mahatratra 80 eo ho eo izao ireo hira noforoniko. Ny fanapariahana azy sy ny fandefasana amin’ny haino aman-jery no […]