Feno 21 taona ny RDJ. Niavaka kely ny nanamarihan’ny Onjampeon’ny tanora izany, satria nivoaka ny efitrano fitenenana ka natao nivantana avy teny amin’ny La City Ivandry avokoa ny fandaharana rehetra, nanomboka tamin’ny «Rivotra» vao maraina. Nanaraka avy eo ny «Mastermixx», «Cool time», «Zany ve dia tsy hay ?», sns. Mazava loatra […]
kolon-tsaina
“Fangaro 2024”: seho vaovao no hasehon’ireo mpianatry ny “Théâtre Kala”
Anisan’ny nahafantarana ny Théâtre Kala ny “Fangaro”. Hetsika fanaon’ny sekoly isan-taona izy ity ho fanehoana ny famoronana nataon’ny mpianatra isan-tsokajiny. Tanterahina anio, eny amin’ny Havoria Anosy, ny “Fangaro 2024”, iarahana amin’ny Théatre Kala. Fampisehoana dihy sy filatroana ny asa famoronan’ ny mpianatra dihy eo anivon’ ny Théatre Kala no ho […]
TARATRY ny KANTO
Nodimandry i Hernan Rivelo… Io ny solon’ anarana nentiny teo amin’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, nikirakirany ny vaovaon’ny kolontsaina nandritra ny taona maro. Efa nandalo tao amin’ny gazety Express de Madagascar, ny Hebdo ary ny Madagascar Matin izy. Efa nanoratra tononkira ho an’ny mozika rock ihany koa, raha ny nambaran’ireo namany. Piment […]
“Festival du Film Coréen 2024”: mitohy hatrany ny fampivelarana ny zavakanto koreanina
Tanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Cinepax Ambodivona, ny fankalazana ny « Festival du Film Coréen 2024 ». Ny masoivohon’ny Korea no mikarakara ny hetsika amin’izao iray volan’ny zavakanto sy kolontsaina koreanina izao. Tanjona ny hampivelarana ny zavakanto koreanina, indrindra ny horonantsary. Mandritra ny roa andron’ny fankalazana, horonantsary koreanina samihafa, natao […]
“Festival Sômaroho” andiany faha-11: vahiny andrasana ry Lucky Dube Group sy Jungeli
Tarika vahiny roa farafahakeliny no handray anjara amin’ny “Festival Sômaroho” any Nosy Be, amin’ity. Ry Jungeli sy ry Lucky Dube Group no nantsoin’i Wawa amin’ity, hanampy ireo tarika malagasy kalaza. «Tsy maintsy misy mpanakanto vahiny mandray anjara amin’ny Sômaroho. Efa nahazatra sy napetraka hatramin’izay koa ny fifanakalozana ara-javakanto amin’ireo vahiny», […]





