Miova toerana kely mba ho goavana kokoa. Eny amin’ny Coliseum Antsonjombe indray ny “Tsinjaka Be”, amin’ity. Hetsika izay fikarakaran’ny Global Action, hampiakarana an-tsehatra ireo mpanakanto izay heverina fa andrasan’ny mpankafy amin’ izao fotoana izao izy ity. Hotontosaina ny alatsinain’ny Pentekôty 20 mey izao io, manomboka amin’ny 9 ora maraina mandra-pahamaizin’ny […]
kolon-tsaina
« Slam National Scolaire »: efa fantatra avokoa ireo mpifaninana
Ireo ankizy eny anivon’ny ambaratonga faharoa, eny amin’ny sekolim-panjakana indray no hanafana ny sehatra mandritra ny « Slam National Scolaire ». Efa vonona ny rehetra ary fifaninana avo lenta sy tsara kalitao no ampanantenain’ny mpikarakara amin’izany. Tanterahina ny 24 sy 25 mey 2024, eny amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely sy […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny CGM Analakely, ny « Sokaf’hehy ». Fampisehoana hatsikana, iarahana amin’ireo Malagasy mpanao hatsikana vao misandratra. Misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara sy ny fampisehoana. Tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny hatsikana, indrindra ny “Stand Up”, eto Madagasikara. Hahazo vahana ny ankizy ao anatin’ny hetsika “Heure […]
« Festival de Cannes 2024 » : handray anjara ny Apaser sy ny RFC
Tanterahina ao amin’ny Palais des festivals ao Cannes, France, nanomboka ny 14 mey hatramin’ny 25 mey 2024, ny « Festival de Cannes », andiany faha-77. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra eo amin’ny tontolon’ ny sarimihetsika maneran-tany. Fifaninanana maro, atrikasa, velakevitra sy valandresaka arahina adihevitra, iarahana amin’ireo sangany sy manana ny maha izy azy […]
« Kitantara »: fihaonan’ny mozika sy ny slam
Tafan-javakanto, ketriky ny tanora manan-talenta sy feno aingam-panahy ny « Kitantara ». Aseho an-tsehatra ao amin’ ny Alliance française Antsirabe izany, ny sabotsy 18 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Fifanojoan’ny mozika sy ny slam, hiangalian’ny andriambavilanitra 4 samy manana ny hanitra ho azy izany. Na Hassi, poeta sy mpanao […]




