kolon-tsaina

Literatiora sy asa soratra: ankalazaina amin’ity taona ity ny faha-100 taonan’i Felanavokon’Itasy

Vitsy mpahalala nefa manana karazana tononkalo tsara kalitao sy manana ny mampiavaka azy i Felanavokon’Itasy. Maro ny hetsika fankalazana izao faha-100 taonany izao, natao hahatsiarovana sy hampahafantarana azy. Anisan’ireo mpahay kanto tsaroana manokana amin’izao volana mey izao, na dia vitsy aza ny mahafantatra azy, i Felanavokon’Ita­sy. Nisy ny hetsika nanamarihin’ireo poeta […]

Fetin’ny Reny: ny vehivavy fanaja

Anisan’ny hevi-bahiny naparitaka teto Madagasikara ny hoe : « tsy manaja vehivavy ny Malagasy », « manampatra fahefana amin’ny vehivavy ny lehilahy », « fanaka malemy ny vehivavy », sns. Petatoko nentina nampifandrafy ny lehilahy sy ny vehivavy ireo. Fomba fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona any amin’ny tany tiany hidirana sy hopotehina. Tsy ireo velively no endrika nisaloran’ny vehivavy […]

Analamanga Parc: hiray sehatra ny groupe Daniel sy i Mamina

Hiavaka kokoa amin’ny mahazatra ny eny Analaman­ga Parc, amin’ny alatsinain’ny Pantekôty ho avy izao. Ankoa­tra ny maha toeram-pitsangantsanganana sy toerana misy karazana fialamboly maro azy, hisy fampisehoana ihany koa nomanin’ny mpikarakara amin’ity. Hifandimby an-tsehatra amin’izany i Mamina sy ny groupe Daniel. I Mamina, izay anisan’ireo mpanakanto miaka-daza amin’izao fotoana. Manana […]

Fanabeazana: Tsy mifanaraka ny olana sy ny vahaolana

Iankinan-java-dehibe maro ny fanabeazana. Iray amin’ireny ny hoavin’ny firenena manontolo. Ny ho fizotry ny fiainan’ny tsirairay ary ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Tsy tomombana ny fanabeazana, ratsy avokoa ireo. Tsara ny vokatra, mirindra izay ny fanabeazana… Mizara roa ny tontolon’ny fanabeazana. Ireo mpanabe sy ny beazina. Anisan’ny mpanabe ny ray aman-dreny, […]

Ho avy eto an-dRenivohitra: hitondra ny « Indray mihira » ny Sandratra Anjeva

Tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny tontolon’ny soratra. Hiova tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay… Hanatanteraka antsa lehibe ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Raha ny avy any an-dRenivohitra no manatanteraka hetsika any amin’ny sampana… Hiova indray izany ! Ho avy eto Antananarivo ny Faribolana Sandratra avy any Anjeva. Hanatanteraka antsa tononkalo […]