Asa efa nataony hatrizay… Fa mbola manamafy ny fanohanany ny zavakanto malagasy ny ivokolo malagasy-alemà, CGM/GZ etsy Analakely. Anisan’izany ny fanomezana sehatra ireo tetikasa maro manodidina ny kanto. Tsy ny fampianarana ny teny alemà ihany no iandraiketan’ny CGM/GZ etsy Analakely. Efa hatramin’ izay nisiany no nanana andraikitra lehibe amin’ny fampiroboroboana […]
kolon-tsaina
« Temps Forts Théâtre »: Tanjona ny hamerina ny maha izy ny teatra
Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), manomboka ny 10 marsa hatramin’ny 28 marsa 2024, ny «Temps Forts Théâtre», andiany voalohany. Hetsika natao hanasongadinana ny teatra na ny tranainy na ny moderina. Fotoan-dehibe ho an’ny fianakaviamben’ny teatra izany. Vondrona maro samihafa, mpiangaly ny haikanto no hitondra seho hanamarihina ny […]
Voatery, voaporitra…: Nanjary narivo fisainana ny Malagasy
« Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihina… », hoy ny tononkira. Raha tany ambadiky ny 300 na 400 taona, mety marina io. Fa ny vanim-potoana ankehitriny, toa mandà izany. Tranga tsy tongatonga ho azy fa nisy antony. Nisy nanery, nisy nanaporitra… Nanana ny akony eo amin’ny fiarahamonina iray manontolo ilay fiovana. Firenena tatsinanana […]
“Endrika fitiavana”: hizara ny rakikirany vaovao i Poopy
Ho avy ihany! Nanao seho maromaro tany andafy i Poopy sy ny tariny, tamin’iny faran’ny taona iny. Nandritra izany no nampanantenainy ho an’ireo Malagasy sy ireo mpankafy rehetra any amin’ny faritra handehanan’izy ireo, fa io no voan-dalana entin’ny tarika. Nampanantena kosa anefa ity mpanakanto ity fa hahazo ny anjarany tsy […]
RMT 2024 : nahazo tombony ny ankizy
Tontosa, omaly, teny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Kolomahaolo, Loharanombato, ny andro fahefatra amin’ny fankalazana ny « Rallye moi(s) Théâtre » (RMT), andiany fahafito. Hipoka tanteraka ity ivontoerana ity. Nameno ny toerana ireo mpianatra avy amin’ny sekoly maro samihafa manodidina ny Kolomahaolo. Niara-nianoka angano isan-karazany sy fampisehoana ary tantara an-tsehatra manana ny maha izy […]




