kolon-tsaina

Hiragasy goavambe: hifandona ry Sahondrafinina Zanany sy Raveloson Jean Ba

Miaka-tsehatra eny amin’ny kianjan’ny Kanto, Mahamasina ihany koa ny mpanao hiragasy. Hangotraka ny seho eo amin-dry Sahondrafinina Zanany sy Raveloson Jean Ba. Lasa ny mamba misosoka ny voay ! Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny « Hira­gasy goavambe », amin’ity taona 2024 ity ny fihaonan’ny tarika roa tonta. Hifan­dona etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Maha­ma­sina ny […]

Noravain’ny vahiny ny kolontsaina malagasy : mety hifanandrina ny lehilahy sy ny vehivavy

Tahaka ny nahazatra tao anatin’ny taona maro, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy i Madagasikara. Mbola manan-danja eny amin’ny fiarahamonina malagasy sy any amina sehatra maro samihafa anefa ilay nambaran’ny vahiny manao hoe : « tsy manaja vehivavy ny fiarahamonina malagasy ». Manao randra-mitarika hatramin’izao io ka namboly toe-tsaina « hafahafa » eo amin’ny vehivavy sasany. […]

Tontolon’ny saripika : vonona hizara traikefa ny UPPM

« Union des photographes professionnels de Madagas­car » ( UPPM). Araka ny anarany, fikambanan’ireo mpaka sary matihanina manerana ny Nosy izy ity. Miditra amin’ny faha-10 taona nisiany ny fikambanana ka mikasa ny hanamarika izany amin’ity taona ity. Mialoha izay anefa, nihaona tamin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly, ny birao mpitantana […]

Fampirantiana “Planète femmes”: misongadina ireo asa tanan’ny vehivavy

Anisan’ny mandray anjara amin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ihany koa ny eny amin’ny AFT Andavamamba, amin’ny alalan’ny fampirantiana “Planète femmes”, hisarihana ny sain’ny rehetra ny amin’ny fananan’ny vehivavy ny maha izy azy. Tanterahina eny amin’ny efitrano malalaky ny Al­liance française d’Anta­nanarivo (AFT) Andavamam­ba, nanomboka omaly hatramin’ny […]

Fandraharahana ara-kolontsaina : nisitraka ny « Prom’art » ny tany Antsirabe

Tetikasa mifanohy amin’ny « Tosik’Art » ny « Prom’Art ». Natao hampivoatra, hampitombo lenta ireo mpanakanto sy ny kanto vokariny izany, hanampiana sy hanohanana azy ireo amin’ny asany. Nisy ny fiofanana izay tafiditra anatin’ny tetikasa « Prom’Art », natao tao amin’ny Tranoben’ ny kolontsaina sy ny serasera Antsirabe, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nisitraka izany ireo […]