Antony iray miteraka fifandirana na fifandonana, matetika, eo amin’ny tanora sy ny lehibe ny fahendrena. « Ny anareo, efa lany andro », hoy ny tanora. Ho an’ny lehibe (olon-dehibe): « ny fahendrena tsy mety lany andro ». Hoy ny Malagasy: « ny mandrora mitsilany, mahavoa tena ». Fahendrena mety ho lany andro? Tahaka izany koa ny: […]
kolon-tsaina
Andro maneran-tany ho an’ny poezia: Miha tanora hatrany ny mpanoratra
Tsy manakana ny mpanoratra tsy hanakorisa ny peniny ny fahalaindainan’ny Malagasy hamaky boky. Tsy voatery ho boky rahateo no ahafahana mianoka ny hakanton’ny soratra (poezia, tononkalo, tantara…), amin’izao vanim-potoana izao. 21 marsa, «Andro maneran-tany ho an’ny poezia», araka ny nambaran’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny fanabeazana (Unesco). […]
Fanamboarana zavamaneno: Itokisan’ireo mpanakanto ny talentan’i Hery Glita
Mihoatra lavitra noho ny vita avy any ivelany. Ankavitsiana ny Malagasy mpanamboatra zavamaneno nametrahan’ireo mpanakanto fitokisana toa an’i Hery Glita. Tsy mba nisehoseho fa tao ambadiky ny mpanakanto tao foana, saingy asongadin’ny talentany teny izy. Hafa ny fahaiza-mitendry… Mbola talenta hafa noho ny hafa koa ny fahaizana manamboatra zavamaneno. Tena […]
TARATRY ny KANTO
Fampirantiana mahakasika ny teny frantsay, etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba. « Ecrire en français : histoire de langues et voyages de mots », no lohahevitra mandritra ity herinandron’ny Frankôfônia ity. Misy ny tantaran’ny teny, ny karazany sy ny fampiasana azy manerana ireo firenena miteny frantsay, sns, no haranty ao. Hisokatra manomboka anio izany […]
Gadon-kira maroloko – Feo migobona: Manohy sy manatsara ny lalany hatrany i Rose
Rose, mpanakanto andriambavilanitra, zanak’Antsohihy, nahavita dingana lehibe tao anatin’ny fotoana fohy. Tombony ho azy ny efa nilonany an-taonany maro tao anatina antoko mpihira (chorale). Ankoatra io, fanomezam-pahasoavana goavana ny fananan’i Rose ilay feo somary migobona (hahenoana beso) nefa kanto. Tsy faheno loatra amin’ireo vehivavy mpanakanto miangaly mozika eto Madagasikara io […]