kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Andro maneran-tany ho an’ny angano sy ny Poezia, hankalazaina any Amoron’i Mania. Hisy ny hetsika izay hotontosaina ao Antamponivinany Ambositra, ny 21 marsa izao, amin’ny 9 ora maraina. Sady tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-10 taona nijoroan’ny Faribolana Sandratra any an-toerana izany ka hanasana ireo mpisehatra amin’ny literatiora sy ireo mpianatra […]

Fampitiavana ny vakiboky: Haverina sy havaozina ireo Clac

Niato nandritra ny 6 taona. Fantatra kosa izao fa hiverina hisokatra avokoa ireo Centres de lecture et d’animation culturel (Clac), na ireo ivontoerana famakiam-boky sy fampiroboroboana ny vakiboky, eny anivon’ireo kaominina ambanivohitra miisa 17 nisitraka izany. Izay ny votoatin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Kolon­tsaina sy ny serasera sy ny Organisation […]

Madagascar Mozarteum – Mozika klasika : Hanatanteraka seho roa ny Choeur Maestria

Tafiditra ao anatin’ireo hetsika hoenti-mampivelatra ny mozika klasika, mikarakara fampisehoana an-tsehatra roa ny Madagascar Mozarteum. Ny Choeur Maestria kosa no hanatanteraka izany. Fampisehoana voalohany hiarahana amin’ny Choeur Maestria, ny 22 marsa izao, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, ao amin’ny Alliance Française An­ta­nanarivo, Andavamamba. Ta­fiditra ao anatin’ny « 25 ème Dimanche Classique » […]

TARATRY ny KANTO

Ankafizin’ny tanora ny tarika Rossy. Tsy azo lavina izay, raha ny zava-nisy teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo. Nantsoina hanafana ny fanombohan’ny «Smatch’in» izy. Lalaon’ny tanora, saingy tsy nisy tsy niredona ny hiran’ny Rossy ny iray lapa. Niraikitra koa aza ilay tononkira novaina tamin’ny «Ampitampitao» nandritra ny […]

Horizon Madagascar : Hampiofana momba ny fikarakarana hetsika

Tokony ho matihanina avokoa ireo mpisehatra amin’ny fi­karakarana hetsika ara-javakanto. Antony iray nananganana ny tetikasa «Horizon Mada­gascar» izany. Ry zareo avy ao amin’ny Nas Production no hi­sahana izany, izay efa natombok’izy ireo tamin’ny fampiharana nandritra ny fandalovan’ireo mpanakanto maromaro, avy any ivelany. Hi­to­hy indray izany, ma­nodidina ny seho izay hotontosain’i […]