Tsy hijanona fotsiny amin’ireo sampana efa misy sy velona ao aminy ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny kolontsaina malagasy « Valiha Académie », fa hiroso amin’ny fanatevenana izany. Fantatra, omaly, fa hofohazin-dry zareo ireo lalao fahiny. Hanana endrika tari-dalana izany, amin’izao vao manomboka izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ireo zaza sy […]
kolon-tsaina
Slam – Amboara maneran-tany : Latsaka teo amin’ny manasa-dalana i Ampisafy Ma-Fia
Nampitaintaina… Fa indrisy, tsy tafakatra hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny Slam ny Malagasy. Efa avo lenta kosa ny tolotra nomaniny. 0,1… Salanisa faran’izay bitika no nahalatsaka an’i Ampisafy Ma-Fia teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, nandritra ny fifaninanana iadiana ny amboara maneran-tany ho an’ny Slam na ny « Grand Poetry […]
Kolosaina sy tarazo: Lasa olon’ny finoana ny Malagasy ?
Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy. Ilay na ireo maha izy azy, anefa, efa voazarazara ka zary manasongadina ny tsy azy. Miteraka fifandirana, fisarantsarahana, ady tsy mety tapitra… Iray amin’ireo mampiavaka ny Malagasy ny maha olon’ny fahalalana azy. An-tapitrisa taona no niainany ny tranga iray. Nisintonany fahalalana izany, […]
TARATRY ny KANTO
Nidina nijery ireo harembakoka any Itasy ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Théo Rakotovao, sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay voakasik’izany. Momba ny fitantanana mahomby ireo harembakoka mahasarika mpizahatany toy ny geysers sy ny riandrano Lily no anton-dian’ny delegasionina, nifanatona tamin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga, any an-toerana. Niara-nidinika […]
Fivatravatran’ny « IA »: Loza ho an’ny kolontsain’ny « adalam-pandrosoana »
Tsy azo sakanana intsony. Saika mampiasa na ampiasana ny « intelligence artificielle » na ny « IA » avokoa ny sehatra rehetra (fahasalamana, soratra, zavakanto sy kolontsaina…). Ho an’ ny firenena matanjaka, efa notezaina hahay mandray sy mampiasa azy io ny olona ao aminy. Vao 12 taona monja ny zaza, efa mahafantatra sy mahay […]




