Takalon-kanto lasa tarika. Tetikasa niofo ho fampisehoana. Ireo tia mozika vaovao no efa dodona hahita sy handre ny fampisehoana hataon’ny Dia Dia Maloya, ny alarobia 13 mey izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny IFM Analakely. Takalon-kanto satria misy fanambarana talenta avy amina Malagasy sy Renioney mpanakanto ao. Samy […]
kolon-tsaina
Zavakanto : Misongadina hatrany ny « Ka…Laza… »
Ilaina ny laza amin’ny maha mpanakanto. Tsy tadiavina kosa anefa fa tonga ho azy. Atao izay mampalaza fa tsy terena. Na fihetsika sy fiteny, fantatra fa manimba ny soatoavina izao aza, atao sy tenenina ihany satria te halaza. Mba te ho lazaina hoe «kalaza» ihany koa. Voafaritra mazava eto, fa […]
TARATRY ny KANTO
Faribolana Sandratra. Ho avy hisoron’afo ny avy lavitra. Ho tonga eto an-dRenivohitra ireo mpikambana avy ao amin’ity faribolan’ny mpanoratra ity ka hanolotra antsa tononkalo nampitondraina ny lohateny « Soron’afo ». Hotanterahina ny 16 mey izao, manomboka amin’ny 3 ora hariva, ao amin’ny Cercle Germano-malagasy/GZ Analakely izany. Tsy hisy ny vidim-pidirana na ho […]
« Spass Gasy » any Allemagne: Anisan’ireo hanafana ny hetsika i Zakai
Hiditra amin’ny andiany fahefatra ny “Spass Gasy”. Hetsika iray ho an’ireo Malagasy monina any Allemagne sy ny manodidina izy ity, izay hatao ny 24 mey izao, ao amin’ny Tivoli Club (Hohe Straße 14, 50667 Köln, Allemagne). Araka ny nampitain’ny Mah’Event izay mpikarakara, ho avy manokana hanafana ny hetsika i Zakai. […]
Sarimihetsika: Ho any Bénin i Kuro Mi
Anisan’ireo mpamokatra sarimihetsika voaantso handray anjara amin’ny « Courts Circuits 2026 » i Edmée Rakotonjanahary na i Kuro Mi. Hatao any Grand-Popo, Bénin, ny 15 hatramin’ny 29 jona izao izy ity. Fikotrehana fanoratana sarimihetsika, iarahan’ireo mpanatontosa sarimihetsika afrikanina miisa 6 no tena hatao mandritra izany. Tafakatra 150 mahery ireo mpanatontosa sarimihetsika nandefa […]




