Ny OIF no vy nahitana ireo CLAC manerana ny Nosy. Nahitam-bokany amin’ny fanabeazana sy ny kolontsaina miainga eny ifotony ireny ivokolo ireny, izay hetsehina indray hanohy ny andraikiny. Rahampitso 20 marsa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankôfônia. Ho fanamarihana izany, netsehina indray ireo Ivontoerana famakiam-boky sy fanaovana hetsika ara-kolontsaina na […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
« Comedy Show », iarahana amin’ireo vehivavy mpanao hatsikana, ny zoma 28 marsa izao, ao amin’ny Tana Water Front. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany i Njara, Joaly, Mihora ary Ny Ahy. “Il etait une femme” ny lohahevitra hihodinan’ireo mpanakanto ireto, ho fanandratana izay talentan’ny vehivavy any anaty hatsikana izay. Hotanterahina anio, etsy amin’ny Cité […]
Ivelan’i Madagasikara : 18 taona namafazana teny sy literatiora i Hajaina
Eo amin’ny tontolon’ny fivelaran’ny teny sy ny literatiora malagasy. Iray amin’ireo nitondra ny anjara biriky maro Andrianasolo Hajaina. 18 taona namafazana ny teny sy ny literatiora malagasy ivelan’i Madagasikara ity mpampianatra mpikaroka, mpikabary, filohan’ny Havàtsa-Upem… ity. Hisy ny hetsika ho fanamarihana izany vanim-potoana izany, hotontosaina ao amin’ ny Restaurant l’Orchidée/91 […]
Tarika H’Avana : Mamelomaso ny famoronana ny hira vokatry ny tany
Tarika ivondronana tanora nasesi-pitiavana mozika, ka hanandratra ny forona mifototra amin’ny vazo an-gitara ny H’Avana. Manan-kozaraina izy ireo. Mamorona fa tsy mamerina. Fanamby goavambe hataon’ny tarika H’Avana, lalantsaina entiny mamakivaky ny tontolon’ny mozika izany. Manome lanja izay famoronan-kira misy fototra izay ny tarika, satria ankoatra ny mozika efa mikoriana ao […]
« Viavy Film Festival »: Handrisihina ireo vehivavy mpanatontosa sarimihetsika
Nahitam-pahombiazana ny andiany voalohany. Efa miditra amin’ny andiany faharoa kosa izao ny « Viavy Film Festival ». Hotontosaina ny 25 hatramin’ny 28 marsa izao izany, ao amin’ny Cinépax Madagascar. Araka ny anarany, natao hanasongadinana ny sarimihetsika vokarin’ireo vehivavy ny hetsika. Handrisihana ireo vehivavy mpanatontosa sarimihetsika, izay efa maro no milomano ao anatin’ […]