kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

«Voha vavahady ho eo an-tokotanin’ny sarimihetsika». Io indray ny lohahevitry ny zara haizatra am-pamoloana, izay hotontosaina anio amin’ny 2 ora sy sasany, etsy amin’ny Efitrano Dox, Tranombokim­pirenena Anosy. Hitarika ny dinidinika mandritra izany i Mina Ilarion, mpanoratra tantara sy manana traikefa amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Araka ny anaran’ny hetsika rahateo, natao […]

Fampianarana – Kolontsaina : Mila ovaina ifotony ny taranja malagasy sy tantara

Iray amin’ireo seha-panabeazana mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny hoavin’ny tsirairay sy ny firenena manontolo ny fampianarana. Taranja maro no ianarana any an-tsekoly. Hatramin’ izao, mbola tsy tena hita soritra mi­vaingana ny fiantraikan’ny fa­haizana an-taratasy ireny ta­ranja ireny, raha ho an’ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora malagasy sy […]

« International Catering Cup 2027 » : Fantatra ny ekipa malagasy hifaninana

Ekipa roa no nifanandrina tamin’ny dingana famaranana. Ny iray tamin’ireo no naharesy lahatra, ka hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny fifaninanana hainahandro iraisam-pirenena, « International Catering Cup 2027 ». Ny Chef Herizo Jiair Rakotoniana eo amin’ny hainahandro, ary ny Cheffe Onja Feno Ramanan­tsoa eo amin’ny « pâtisserie ». Izy mianadahy ireto no nandrafitra ny […]

TARATRY ny KANTO

Seho tsy nampoizin’ny maro ny an’i Lalatiana, omaly. Nandalo kely an-tanindrazana, ary tsy nieritreritra ny hiaka-tsehatra izy. Noho ny fangatahana manokana anefa, nisy ny fiarahana tampoka tetsy amin’ny Piment Café, halina. Na alatsinainy aza, tsy nanakana ireo tena mpankafy tonga nameno ny efitrano izany. Fotoana mamy, nanararaotana ireo hira tsy […]