Loza mitatao! Maro loatra ireo horonantsary mamoafady miparitaka, indrindra anatin’ny tambajotran-tserasera. Efa sady tsy voafehin’ny Malagasy ny fampiasana azy ireny, no lasa fitaovana manimba ny ankizy sy ny tanora ihany koa. Manoloana ireo tranga marobe nahazoana fitarainana, namoaka taratasy fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. « Iarahantsika mahita fa mihabetsaka […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
“Slam-Poésie”, eny amin’ny Craam Ankatso. Rahampitso manomboka amin’ny 3 ora izy ity, hanasana ireo manan-talenta amin’ny filalaovan-teny rehetra. Malalaka ny sehatra hizarana ny talenta amin’ny slam sy ny poezia. Tsy mifidy taona, tsy manavaka fiteny fa mety avokoa izay havoakan’ny aingam-panahin’ny mpandray anjara. Nandray ny asany omaly, ny tale jeneralin’ny […]
Nanjary sadasada ny Malagasy : Misy lesoka lehibe ny fanabeazana
Ny ray aman-dreny, mpitaiza sy mpanabe. Fahiny, mitombina sy tsara fototra io. Ankehitriny, mitsingilaila tanteraka izany. Misy lesoka lehibe ny fanabeazana. Ny ray aman-dreny mihitsy no mampirisika ny zanany hanaotao foana. Mety tsy mivantana fa an-kolaka ny fisehon’io tranga io. Avy amin’ny tsy fandraisana andraikitra, ohatra. Tany ambadik’Imanareza, ny zanaka […]
“Kanto Miampita” 2 : Hamelona an-tsehatra ireo hiran’ny tarika Les Surfs
Mamelona, mamerina, mampiaina ary mampita. Izay no lalan-tsain’ny “Kanto Miampita”, na ny fandaharana amin’ny onjam-peo, na ny andiam-pampisehoana. Hiompana amin’ireo hira nataon’ny tarika Les Surfs indray ny andiany faharoa. Marina fa tsy namoron-kira ry Rabaraona 6 mianadahy… Mpamerin-kira anisan’ny nanana ny lazany koa ny tarika Les Surfs, ary hatrany ivelany […]
Fimpima FJKM Ambohitantely : Nosaloran-damba ireo mpikabary 20 mianadahy
Feno 15 taona ny rantsana Fimpima FJKM Ambohitantely. Nomarihina omaly izany tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, nandritra ny alahadin’ny SLK ny maraina, tao an-toerana. Notontosaina nandritra izany ihany koa ny fampisalorana lamba ireo mpikambana tsotra, mpikabary miisa 20 mianadahy. Nanatontosa ny fampisaloran-damba ny filoham-paritany Fimpima, Andrianady Bandro. Nisolo […]




